-

HCC – ANTENIMIERAMPIRENENA: MITSIPAKA NY FIKASANA FANOLOANA AZY IREO NY MPITSARA AVO ROA
⚖️ Tao anatin’ny fanambarana nivoaka tamin’ity 26 Mey 2026 ity, mpitsara ambony roa eo anivon’ny HCC, dia ny Mpitsara Ambony Rasolo Nandrasana Georges Merlin sy ny Mpitsara Ambony Zokiolona Noelson William, no naneho ny fanoherany ny fikasan’ny Antenimierampirenena hanolo ny solontenany ao amin’ity Fitsarana ity. Nambaran’ireo nanao sonia fa tsy ara-dalàna izany dingana izany, ary…
-

CUA: FIARA SIMBA SY MIPETRAKA TSY ARA-DALANA, NAMPIDIRINA AMBALAN-TSAZY
🚗 Tsy misy intsony ny fandeferana! Taorian’ny fampitandremana efa natao, nidina ifotony ny Kaominina Ambonivohitry ny Antananarivo (CUA), niarahana tamin’ny Polisy Nasionaly sy Monisipaly, nanao fanesorana sy fampidirana « fourrière » ireo fiara simba, mibahana lalana sy mijanona amin’ny toerana tsy nahazoana lalana. 📍 Nahazo ny anjarany sahady ny teny Ambohitrakely, Manjakaray, ary Anjanahary. Ny tanjona dia…
-

FAMPIANARANA AMBONY: HISY « CAMPUS UNIVERSITAIRES » ENINA VAOVAO
🎯 Misy “campus universitaires” vaovao enina (06) isaky ny faritany ka isan’izany ’i Mahajanga. Ho 5 000 ireo mpianatra ho raisina isaky ny “campus universitaire”. 📝 Ireo « campus universitaire » ankehitriny isaky ny faritany ireo dia namboarina tamin’ny andron’i Filoha Didier Ratsiraka tamin’ny Repoblikan’ny Faharoa. Araho vaovao tsy tapaka ao amin’ny tranonkala 👇🏼
-

MAHAJANGA: OLAN’NY RANO, MANDROSO VAHAOLANA NY FILOHAMPANJAKANA
📍 Nambaran’ny Filoham‑panjakana Kolonely Michaël Randrianirina fa 34 000 m³ isan’andro no ilain’i Mahajanga amin’ny famatsiana rano, raha ny vokatra ankehitriny kosa dia manodidina ny 27 000 m³/andro. Ho fanampiana vonjimaika dia hanao forazy aloha. 🎯 Saingy notsindriany fa vahaolana maharitra dia haterin’ny tetikasa lehibe hotohanan’ny Banky Mondialy ao anatin’ny rafitra PAEP, izay mikendry ny…
-

BUDGETAN’NY FOKONTANY SY NY KAOMININA ARA‑PITONDRA: +14,5% VOALAVITRA AO ANATIN’NY LFR
📍 Nilaza tany Mahajanga ny Filoham-pirenena, Kolonely Michael Randrianirina, fa ny volavolan‑dàlana LFR izay halefa hodinihin’ny Antenimierampirenena dia mikendry ny hampiakatra ny teti‑bolan’ny Faritra sy ny Collectivités territoriales décentralisées ho +14,5% (mba hanoloana ny 3,6% teo aloha). 🎯 Tanjona : hanome vola hanamboarana sy hanohanana ny làlana, ny tsena, ny sekoly ary ireo serivisy eo…
-

HERINARATRA RIA ANTANANARIVO: MAHATRATRA 12,5 MWc ANKEHITRINY
💡 Nanomboka tamin’ny 24 Mey 2026, nahatratra 12,5 🅼🆆🅲 ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro tao amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA). Nizarazara toy izao ny fametrahana: Mangatany: 5 🅼🆆🅲, Ampangabe: 5 🅼🆆🅲, Ambatomirahavavy: 1,5 🅼🆆🅲 ary Ambohidrano Ilafy: 1 🅼🆆🅲 📝 Tamin’ny volana Aprily, nisongadina ihany koa ny famaranana fifanarahana mialoha (MOU) miisa 86, ho fanamafisana…
-

VELONJARA RAKOTONANDRASANA: NITSIDIKA AN’I TOAMASINA
Ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray, dia nanatanteraka fitsidihana ara-pomba teto anivon’ny Commune Urbaine Toamasina tamin’ny 22 mavo 2026. 🤝 Nandray azy teto ny lehiben’ny Faritra, ny Préfet ary ny Ben’ny tanana Alain Andriafanomezantsoa. Ity fihaonana ity dia nifantoka amin’ny : ✅ Fintsinjaram-pahefana ✅ Fahadiovan’ny tanana ✅ Fanarahana ny…
-

ALATSINAINY PENTEKOSTA: FIAROVANA SY FILAMONANA EO AMIN’NY MORONTSIRAKA MANGILY SY MADIORANO (TOLIARA)
⚓️ Amin’ity alatsinain’ny Pentekôty ity, dia mipetraka eny amoron-dranomasina Mangily sy Madiorano ny ekipan’ny Détachement Naval Toliara mba hiantohana ny fiarovana sy ny filaminana ho an’ireo mpitsangatsangana sy mpilalao rano. 🚤 Eo ambany fibaikoan’ny Lieutenant de Vaisseau Andrianaina Marinot Léonid ny olona sy ny fitaovana vonjy taitra napetraka. Ny andraikitry ny ekipan’ny ao dia ny manara-maso…
-

✍🏼 🇲🇬 ACM: LISITRY NY FIARAMANIDINA MAHAZO MANAO SIDINA ARA-BAROTRA
Namoaka fanampiny amin’ny “avis au public” ny Autorité de l’aviation civile de Madagascar, izay mitanisa ireo fiaramanidina mahazo manao sidina andoavam-bola. Voafaritra ao ny orinasa voakasika sy ny karazana fiaramanidina ekena, na ao an-toerana izany na any ivelan’i Madagasikara.
-

FANOHITOHINANA NY FILAMINANA ANATINY: NIDOBOKA AM-PONJA VONJIMAIKA I PAUL RABARY SY YVES MAURICE RAKOTONIAINA
Natolotra ny Fampanoavana androany zoma i Paul Rabary sy Yves Maurice Rakotoniaina, ka nampidirina am-ponja vonjimaika. I Paul Rabary dia mpitarika ny antoko HVM teo aloha sady Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ary lasa mpikambana ao amin’ny UPAR an’i Andry Rajoelina taty aoriana; i Yves Maurice Rakotoniaina kosa dia Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Asa tanana…
Version Malagasy
Author
Written by


