Antananarivo, 15 mey 2026.
Natolotra ny Fampanoavana androany zoma i Paul Rabary sy Yves Maurice Rakotoniaina, ka nampidirina am-ponja vonjimaika. I Paul Rabary dia mpitarika ny antoko HVM teo aloha sady Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ary lasa mpikambana ao amin’ny UPAR an’i Andry Rajoelina taty aoriana; i Yves Maurice Rakotoniaina kosa dia Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Asa tanana teo aloha.
Araka ny loharanom-baovao sasany, dia voampanga ho nanao fanohitohinana ny filaminana anatiny na « Atteinte a la sûreté intérieure de l’Etat ». Tsiahivina fa any amin’ny fonjan’i Tsiafahy no tazomina ilay Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Asa tanana teo aloha, fa eny Antanimora kosa ilay Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha.



Laisser un commentaire