Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

FIAROVANA NY MPANJIFA: TOERAM-PIVAROTANA LEHIBE IRAY NAKATONA VONJIMAIKA, ENTANA LANY DATY MARO NO NOGIAZANA

Antananarivo, 11 Jona 2026

Hentitra ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana manoloana ny gaboraraka misy amin’ny fitahirizana sakafo saro-pady eto an-drenivohitra. Noho ny tsy fahafenoan’ny fepetra ara-pahasalamana sy ny tsinontsinona ny fitahirizana amin’ny hatsiaka na ny « chaîne de froid », dia noraisina ny fepetra hentitra nampidiana takonana vonjimaika ny faritry ny sakafo fampangatsiahana tetsy amin’ny toeram-pivarotana lehibe iray teto Antananarivo, miaraka amin’ny fanagiazana entana lany daty tany amin’ny toerana hafa. Ity hetsika faobe ity, izay baikoan’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana Haingotiana ANDRIAMADISON, dia efa miparitaka manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ireo mpitsirihana sy ny Fitaleavam-paritra.

Sakafo saro-pady no voasazy sy natao dindo famantarana

Nodorana marika manokana tsy ahafahana mikitika azy intsony ireo entana rehetra tao anatin’ny faritra nandraisana izao fepetra fanakatonana vonjimaika izao. Voakasik’izany gaboraraka izany mivantana ny toerana misy ny hena voahodina isan-karazany toy ny charcuterie, ny fromazy samihafa, ny fivarotan-kena ary ireo sakafo masaka efa vonona hohanina avy hatrany. Ireo karazan-tsakafo ireo mantsy dia misy fahatsorana haingana amin’ny fahasimbana raha vao tsy dindo tsara ny hatsiaka miaro azy.

Araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Varotra anatiny sy ny Fanjifana (DGCIC), Gilchrist RAKOTOSON, teny am-panatanterahana ny fitsirihana, dia misy ny tsy fahatomombanana lehibe eo amin’ny maripana tsikaritra. Raha tokony ho tazonina 3°C ny fampangatsiahana rehefa tonga eo amin’ny toerana fivarotana na fampirantiana anefe ny entana dia misy hatramin’ny 8°C. Manana fiantraikany mivantana amin’ny fahasalaman’ny olona izany satria miovaova ny maripàna, ary mety mbola hiova hafa indray rehefa tonga any amin’ny mpihinana azy.

Laboratoara sy fanaraha-maso hentitra hitohy manerana ny tanàna

Tsy nijanona tamin’ny fanakatonana fotsiny ny hetsika fa nisy koa ny fandraisana singa tamin’ireo hena sy fromazy nampiahiahy teny amin’ny toeram-pivarotana lehibe iray hafa mba hoentina hotsapaina any amin’ny laboratoaran’ny ACSQDA eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Tao anatin’ny iray andro monja dia niparitaka tamin’ireo toeram-pivarotana lehibe rehetra teny Ankorondrano, Tanjombato, Digy, Analakely sy ny manodidina ireo kaomisera sy mpanaramaso ny varotra sy ny fifaninanana. Nanamafy ny Tale jeneraly fa hitohy sy hihamafy hatrany izao fanarahan-maso ny kalitaon’ny entana amidy eny amin’ny tsena izao mba hiarovana tanteraka ny vahoaka mpanjifa.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture