Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

FITATERANA: MORA KOKOA NOHO NY MANDEHA FIARA NY MANIDINA AMIN’NY MADAGASCAR AIRLINES AMIN’IZAO VOLANA JIONA IZAO

Ho fankalazana ny volana ny Jona sy ny fetim-pirenena, nanao dingana lehibe tsy nampoizina ny kaompania nasionaly Madagascar Airlines amin’ny fanolorana sarany tokana 399 000 Ariary ho an’ireo sidina rehetra anatiny manerana ny Nosy. Ity tolotra tsy manam-paharoa ity, izay fiaraha-mientana teo ambany fitarihan’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny tontolo aviation sivily, dia hita ho mitondra tombony lavitra sy mitsitsy vola ary fotoana mihoatra noho ny fandehanana amin’ny lalam-pirenena eto Madagasikara.

Antananarivo – 12 jiona 2026

Tena nampihetsi-po ny maro ity tolotra nambaran’ny Madagascar Airlines ity ho an’izao volana Jona izao, fotoana izay maha-maro ny mpiala sasatra sy ny te-hamonjy fianakaviana. Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaompania sy ny ACM, ny ADEMA ary ny Ravinala Airports, dia lasa mora amin’ny rehetra ny manidina. Amin’ny alalan’ny sarany 399 000 Ariary ihany, na dia misy fepetra aza, dia afaka niala tamin’ny fahasahiranana amin’ny fitohanana sy ny faharatsian-dalana ny mpandeha ka afaka tonga amin’ny toerana halehany ao anatin’ny minitra vitsy monja.

Raha ampitahaina amin’ny zava-misy marina eny amin’ny lalam-pirenena izao tolotra izao, indrindra ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toliara amin’ny RN7, dia hita taratra ny tombony lehibe. Ho an’ny olona iray mandeha fiara manokana, ny solika gazole fotsiny amin’izao fotoana izao ho an’ny lalan-tokana dia efa mahatratra hatramin’ny 500 000 Ariary noho ny fidangan’ny vidin’ny solika eo amin’ny paompy.

Miharihary avy hatrany ny kajy fa ho an’izay miala ao Antananarivo ho any Toliara, ny fandaniana amin’ny solika fotsiny dia efa mihoatra lavitra ny vidin’ny tapakila fiaramanidina atolotry ny Madagascar Airlines. Manampy izany koa, ny fandehanana amin’ny lalam-pirenena dia mitaky farafahakeliny roa andro feno amin’ny harerahana sy ny fahasahiranana, miaraka amin’ny fandaniana amin’ny sakafo sy ny hôtely eny an-dalana ary ny fahasimban’ny fiara. Amin’ny lafiny iray kosa, ny sidina amin’ny fiaramanidina dia maharitra adiny iray sy sasany monja ao anatin’ny fahamiramirantana sy ny fiarovana tanteraka.

Ankoatra ny fitsitsiana vola maherin’ny 100 000 Ariary, ny tahiry amin’ny fotoana sy ny fahasalamana no tena mandresy lahatra amin’ity sidina ity. Tsy ny volany ihany no tsinjovin’ny mpandeha fa ny heriny koa mba hahafahany mifety am-pifaliana. Na izany aza, mampitandrina ny kaompania fa voafetra ny toerana ary ho an’izay mividy aloha ihany ity fahafahana ity, ka efa mandeha mafy ny fifaninanana hahazoana tapakila amin’izao fotoana izao.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture