
Dingana lehibe ho an’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Noraisin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra Atoa isany Haim Berkovits sy Itshak Mamo, « Consuls honoraires » an’i Israely. Nivoitra tamin’izao fihaonana natrehin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Fitsarana izao ny fikasana hanokatra Masoivoho sy ny fampiasana vola israeliana eto amintsika, na dia teo aza ny tsy fahatafidian’ireo tomponandraikitra voalohany amin’ny diplomasia.
Antananarivo, 2 Jona 2026.
Ao anatin’ny fanatanterahana ny pôlitika fivononana sy ny fivelarana iraisam-pirenena, nisy ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, sy ireo solontena avy amin’ny Fanjakana israeliana, Atoa Haim Berkovits sy Itshak Mamo, tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny alatsinainy 1 jiona.
Nanatrika izao fotoana izao ny solontena ambony teo anivon’ny Fitsarana: Rtoa FANIRISOA Erinaivo (Minisitry ny Fitsarana), Atoa TSARALEHA Arsène (Talen’ny Kabinetra), ary Atoa RANAIVOSON Tahindro Prospero (Talen’ny Fiarahamiasa ara-pitsarana iraisam-pirenena).
Tsara ny manamarika fa tsy nanatrika ity fihaonana ity ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, izay miandraikitra mivantana ny fifandraisana ivelan’i Madagasikara (afa-tsy raha misy fampisoloana toerana vonjimaika ataon’ny Minisitry ny Fitsarana). Torak’izany koa, tsy teo an-toerana i Atoa Benjamin Memmi, « Consul honoraire » an’i Israely miasa eto Madagasikara.
Ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fikasana hanokatra Masoivoho eo amin’ny Firenena roa tonta no fototry ny dinika. Teo amin’ny lafiny ara-toekarena, naneho fahavononana ireto vahiny ireto hampirisika ireo mpandraharaha israeliana hampiasa vola eto Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany, ny asa vaventy ary ny « agroalimentaire ».
Izao fihaonana izao dia tafiditra ao anatin’ny pôlitika ivelany (multilatéralisme) hitadiavana tombontsoa mivantana ho an’ny Vahoaka Malagasy.



Laisser un commentaire