Mba hisorohana ny fahatapahan-jiro ao an-toerana sy hitandrovana ny fitohizan’ny famatsiana herinaratra ao Mahajanga, dia nankatoavina ny fampitana am-bava niarahana tamin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo ary ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Izany dia mikasika ny fanefana ny trosa amin’ny orinasa Henri Fraise Fils et Cie (HFF) nanomboka ny janoary 2026 ary ny fankatoavana ny fifanarahana fanampiny (avenant) hamatsiana herinaratra hatramin’ny 31 desambra 2026.
Antananarivo, 3 juin 2026
Nifarana tamin’ny 31 desambra 2025 ny fifanarahana teo amin’ny JIRAMA sy ny orinasa « Henri Fraise Fils et Cie » (HFF) mikasika ny famatsiana herinaratra tao Mahajanga. Na izany aza, mba tsy hisian’ny fahatapahan-jiro ao amin’ity renivohitry ny Boeny ity, dia nanohy nanome tolotra sy namatsy herinaratra hatrany ny HFF na dia efa tsy nisy intsony aza ny fifanarahana manan-kery teo aminy sy ny JIRAMA.
Manoloana izany, nankatoavina ny fangatahan’ny JIRAMA hanefa ireo taratasim-bidy sy trosa amin’ny HFF mifandraika amin’izany tolotra nomena nanomboka ny volana janoary 2026 io ka hatramin’izao.
Fifanarahana fanampiny hatramin’ny faran’ny taona 2026
Ankoatra izay, nankatoavina koa ny fifanarahana fanampiny (avenant) ataon’ny JIRAMA amin’ny HFF mba hitohizan’ny famatsiana herinaratra ao Mahajanga hatramin’ny 31 desambra 2026.
Natao mazava kosa anefa ny fepetra : raha tsara petraka mialoha io fe-potoana io ny fitaovana sy ny paika rehetra any amin’ny JIRAMA mba ho vahaolana maharitra amin’izany famatsiana herinaratra ao Mahajanga izany, dia hifarana ho azy mialoha ny fotoana voatondro io fifanarahana fanampiny amin’ny HFF io.



Laisser un commentaire