Ny Fikaonandoham-pirenena dia nahemotra ny 3 Jona noho ny antony kalandrie: toa samy manomana sy manana ny drafitrasany na ny minisitera miandraikitra ny Fanaovazana na ny FFKM, iza no hitarika ny fikarakarana ?
Raha nolazaina teo aloha fa hanomboka ny 20 mey ny fikaonandoham-pirenena dia tsy hanomboka izany raha tsy amin’ny 3 jona ho avy izao. Ny minisitry miandraikitra ny Fanavaozana no nilaza izao fanemorana izao noho ny antony kalandrie amin’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena sy ny fihaonamben’ny FFKM ho avy atsy ho atsy . Ny fandrindrana ny fikaonandoham-pirenena dia toa tafiditry ny fisalasalana momba ny fametrahana ny daty fanombohana sy ny tsy fisian’ny antsipiriany momba ny fandrindrana sy ny fandehan’ity fihaonana ity izay mikendry ny hamaritra ny zotram-pandaminan’ny Fanaovana ny Firenena sy ny Repoblika. Raha ny marina, amin’ny ankapobeny, dia tsikaritra ihany fa misy fifaninanana eo amin’ny minisitera tomponandraikitra amin’ny Fanavaozana sy ny FFKM.
Amin’ny lafiny iray, ny minisitera tomponandraikitra amin’ny Fanavaozana dia mametraka ireo ratsamangaikany any amin’ny faritra amin’ny alalan’ny tale isam-paritra. Ny minisitera ihany koa dia efa nanomboka tamin’ny desambra 2025 ny fifampidinihana isam-paritra mba hanangonana ireo tolo-kevitra avy amin’ireo mpisehatra fototra eo an-toerana momba ny fandrindrana ny fikaonandoham-pirenena. Ankoatr’ny fihaonana na fifampidinihana isam-paritra dia natao ihany koa nanomboka tamin’ny desambra 2025 ny fikaonan-doha isaky sehatr’asa toy ny nataon’ny tafika, ny polisim-pirenena, ny « administrateurs civils », ny toekarena sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, ny toekarena manga… ireo fihaonana izay niteraka fanolorana momba izay tokony ho politikam-panjakana momba ireo sehatr’asa isan-tsokajiny. Ireo hetsika ireo dia natao fa tsy teo ambany fiahian’ny FFKM.
Na izany aza, ny FFKM no nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika andraikitra ofisialy ho tomponandraikitra ny fikaonandoham-pirenena. Io fahazoan-dalana io no namela ireo Lehiben’ny Fiangonana handrindra ny lanonam-panombohana ny fihaonambe nasionaly tamin’ny 10 desambra 2025 tao amin’ny CCI Ivato. Hatramin’izay, ny FFKM dia nanamboatra, araka ny vaovao azo, ireo antontan-taratasy fototra ho an’ny fanatontosana sy hampiasaina mandritra ity fihaonambe ity. Saingy, hatreto, ny FFKM dia tsy manana ny hoenti-manana na ara-bola na ara-teknika hanantanterahana ity fihaonambe nasionaly ity. Mampametram-panontaniana ny mahita etsy ankilany ny ministera miandraikitra ny Fanavaozana efa mizotra makany amin’ny fikarakarana ny Fihaonambe ary etsy andaniny ny FFKM toa mangina tsy misy mbola misy tondrozotra momba ny Fihaonambe. Hatreto, ny FFKM dia mitazona ny fahanginana tanteraka momba ireo daty natolotry ny governemanta ho fanombohana ny fihaonambe nasionaly. Iza ary no tena hitondra ny fihaonambe nasionaly? Ny FFKM ve no hitondraamin’ny maha ray aman-dreny ara-panahy natolotra tamin’ny fiandohan’ny dingana tamin’ny desambra 2025? Sa mety hisy hetsika roa hitranga mifanarakaraka? Toa samy maka ho azy na ministera miandraikitra ny Fanavaozana na ny FFKM, fa ny tena tompom-panapahana farany dia ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Michael Randrianirina, amin’nymomba ny fikarakarana ny Fikaonandoham-pirenena.



Laisser un commentaire