
Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny fanentanana fividianana lavanila ny Fikambanan’ny Lavanila Malagasy (AVM) amin’ity taona 2026 ity. Ity antso ho an’ny fanehoana fahalianana laharana 002/AVM/2026 ity dia mikendry ny hampiaraka ireo mpandraharaha matihanina sy ny fiaraha-monina amin’ny fanondranana sy famokarana lavanila ao amin’ireo faritra efatra voakasika.
Antananarivo – 4 jolay 2026
Faritra efatra voakasika sy ny fatra voafetra
Araka ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevi-pitantanan’ny AVM, dia voafaritra mazava ny habetsahan’ny lavanila azo raisina amin’ity hetsika ity ao amin’ireo faritra SAVA, ANOSY, ATSINANANA, ary ALAOTRA MANGORO. Ho an’ny faritra SAVA, ny habetsahana ambony indrindra amin’ny lavanila voakarakara azo vidiana dia 390 taonina, miaraka amin’ny lavanila maitso 1950 taonina. Ho an’ny faritra ANOSY, ny habetsahana voatondro dia 9 taonina ho an’ny lavanila voakarakara sy 45 taonina ho an’ny lavanila maitso. Ny faritra ATSINANANA kosa dia afaka mivarotra lavanila voakarakara hatramin’ny 18 taonina sy lavanila maitso 90 taonina. Farany, ny faritra ALAOTRA MANGORO dia 6 taonina ho an’ny lavanila voakarakara sy 30 taonina ho an’ny lavanila maitso. Ny rafitra fividianana dia mifototra amin’ny 1 kilao lavanila voakarakara vidian’ny AVM ho an’ny 5 kilao lavanila maitso avy amin’ireo mpamokatra.
Fitsipika momba ny vidy sy ny fepetra takiana
Mba hiarovana ny mpamokatra sy handaminana ny tsena, dia efa napetraka ny vidy ividianan’ny AVM ny lavanila voakarakara : 140 000 Ariary/kg ho an’ny lavanila maintsy, 125 000 Ariary/kg ho an’ny lavanila mena, ary 70 000 Ariary/kg ho an’ny sombin-davanila voafantina. Ho an’ny lavanila maitso kosa, ny mpandraharaha dia tsy maintsy mividy amin’ireo mpamokatra araka ireto vidy farany ambany ireto : 5 000 Ariary/kg ho an’ny lavanila fohy (latsaky ny 12cm) ary 10 000 Ariary/kg ho an’ny lavanila lava (mihoatra ny 13cm). Ireo mpandraharaha vonona hiara-hiasa dia tsy maintsy manana antontan-taratasy ara-dalàna, toy ny karatra hetra sy ny karatra maha-mpanomana lavanila.
Daty sy fomba fandefasana ny antontan-taratasy
Ny antontan-taratasy fangatahana dia azo alefa amin’ny endrika taratasy na elektronika amin’ny adiresy achatavm@commerce.mg. Ny daty farany fametrahana ny fangatahana dia ny 10 Jolay 2026 amin’ny 17 ora. Ny fizotry ny hetsika dia ahitana ny fanamarinana ny antontan-taratasy eo anelanelan’ny 13 ka hatramin’ny 15 Jolay 2026, ary ny famoahana ny valiny dia ny 16 Jolay 2026. Ny fifanarahana dia hatambatra ny 17 Jolay 2026, ary ny fanombohan’ny fividianana lavanila dia ny 18 Jolay 2026.



Laisser un commentaire