
Manana lanja manokana eo amin’ny lafiny diplômatika ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena eto Madagasikara amin’ity taona ity. Hahatratra ny faha-66 taonan’ny fahaleovantena ny firenena, ary hisongadina amin’izany ny fahatongavan’ireo vahiny manan-kaja avy any ivelany, izay porofon’ny tanjaky ny diplômasia malagasy eo amin’ny kaontinanta afrikanina. Anisan’ireo vahiny manan-kaja ho tonga ao amin’ny kianjan’i Mahamasina ny filoham-pirenena kômôrianina Azali Assoumani, ny filoha kenianina William Ruto, ary ny filoha lefitry ny governemanta gabôney Hermann Immongault. Fanehoana ny vokatry ny ezaka diplômatika stratejika nentin’ny fitondrana, ny Kolonely Michaël Randrianirina, izao fihaonan’ireo mpitondra afrikanina eto Antananarivo izao.
Antananarivo – 26 Jona 2026
Vokatry ny fitsidihana sy ny diplômasia stratejika
Tsy kisendrasendra ny fahatongavan’ireo solontena ambony avy any Kenya sy Gabôna miaraka amin’ny filoha kômôrianina ireo. Izany dia vokatry ny fitsidihana ofisialy nataon’ny Kolonely Michaël Randrianirina tany ivelany vao haingana. Ankoatra an’i Kômôro, izay firenena mpiara-monina akaiky manana tantara sy fifandraisana lalina amin’i Madagasikara, i Kenya sy i Gabôna dia firenena roa izay efa nitsidihan’ny filoham-pirenena malagasy vao haingana, ka nametraka ny fototry ny fiaraha-miasa vaovao sy matanjaka.
Fanoloran-tena amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa
Nandritra ny diany tany Nairobi, ny Kolonely Michaël Randrianirina dia nametraka ny fototry ny fiaraha-miasa ara-toekarena matanjaka niaraka tamin’ny filoha William Ruto, mifantoka amin’ny fampandrosoana ny fifanakalozana eo amin’ny faritra atsinanan’i Afrika. Toy izany koa, ny fitsidihany tany Libreville dia nanokatra lalana ho amin’ny fifandraisana ara-pôlitika sy teknika akaiky miaraka amin’ny manampahefana mpitantana ny tetezamita ao Gabôna. Amin’ny alalan’ny fandefasana an’i Hermann Immongault ho eto Antananarivo amin’ity 26 jona ity, dia manamafy ny sitrapony hanamafisana ity fiaraha-miasa “Sud-Sud” ity i Gabôna.
Fankalazana ny fiandrianam-pirenena
Ankoatra ireo toerana ofisialy izay hipetrahan’ireo vahiny manan-kaja ireo, ny fankalazana amin’ity taona ity dia manome lanja manokana ny fiandrianam-pirenena. Eo amin’ny lafiny miaramila, ny matso nentim-paharazana ao amin’ny kianjan’i Mahamasina dia tanterahin’ny Tafika Malagasy irery ihany, tsy misy fandraisana anjaran’ny miaramila avy any ivelany. Ity hetsika ity dia sehatra iray tonga lafatra hanehoana ny firaisankinan’ny firenena eo anatrehan’ireo mpiara-miombon’antoka avy aty amin’ny kaontinanta, sady manamafy ny fototra iorenan’ny fifanarahana ho avy eo amin’i Madagasikara sy ireo vahiny manan-kaja ireo.



Laisser un commentaire