Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

OLANA NY JIRO AO ANTSIRANANA : NANDREFAKA VATA MPANOVA HERINARATRA VAOVAO NY JIRAMA NY ALACAMISY 24 JONA HARIVA LAZA TEO

Tsy mitazam-potsiny manoloana ny olan’ny fahatapahan-jiro lavareny izay mianjady amin’ny tanànan’i Antsiranana ny orinasa JIRAMA. Mba hamonjena ny tsy fahampian’ny vokatra herinaratra any an-toerana, dia nisy ny fitaovana stratejika miavaka namela an’Antananarivo ny alakamisy 24 jona hariva teo hizotra mankany amin’ny tapany avaratry ny nosy. Ity fidinan’ny fitaovana ity dia natao hanamafisana ny tambajotra sy handrindrana ny fampiasana ireo milina mpihary herinaratra vaovao efa an-dalam-pametrahana.

Antananarivo – 25 jona 2026

Teo amin’ny foibe Analamahitsy eto Antananarivo no niala ireo fiarabe nitondra vata mpanova herinaratra (transformateurs) miisa telo, izay manana tanjaka 630 kVA avy. Ireto vata ireto dia hifanome tanana amin’ireo fitaovana efa any an-toerana ary tena ilaina tokoa amin’ny fampandehanana ireo milina mpihary herinaratra vaovao, izay efa nalefa any Antsiranana andro vitsivitsy lasa izay.

Eny an-toerana, efa eo am-panatanterahana ny asa rehetra amin’ny fametrahana sy ny fampitohy ireto milina ireto ny ekipa teknika ankehitriny. Vinavinain’ireo mpahay teknika hisahana ny andrana voalohany amin’ny fampandehanana ny iray amin’ireo milina ireo, izay manana tanjaka 800 kW.

Manoloana ny fahasahiranana lehibe ateraky ny fahatapahan-jiro miverimberina, ny mpitantana ny orinasa dia naneho ny fankasitrahana feno manoloana ny faharetana sy ny fandeferana asehon’ireo mpanjifa ao Antsiranana, mandra-pahatongan’ny fiverenana tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture