
Andrasan’ny mpampiasa lalana fatratra ny fahavitan’ny fotodrafitrasa, ary efa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny talata 23 jona 2026 lasa teo ny tobim-piantsonana vaovao eny Amoronakona. Amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana maoderina, ny teknolojia ary ny fandrindrana maty paika no enti-manova tanteraka ny fomba fandehanana dia eto Madagasikara, mba hisian’ny filaminana, ny fahatsorana ary ny mangarahara ho an’ny rehetra.
Antananarivo – 25 jona 2026
Dingana lehibe loatra no vita eo amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasan’ny fitaterana eto amin’ny firenena. Nanomboka amin’ity herinandro ity tokoa mantany dia nandray ireo mpandeha sy ireo kaoperativa voalohany ny tobim-piantsonana Amoronakona, ao anatin’ny tontolo voadio tsara izay natao hisorohana tanteraka ny fikorontanana hita tany amin’ireo tobim-piantsonana taloha.
Mba hanamorana ny fahatongavan’ny tsirairay eo amin’ny toerana, dia nomena lanja manokana ny fampahafantarana mazava sy azon’ny rehetra arahina. Misy ny plan de masse ahitana ny antsipirian’ny toerana mba hahafahan’ny olona mizatra sy mahita avy hatrany ireo rantsana sy tolotra ilainy. Ho fanampin’izay, misy ny kiosque d’information izay manambatra ny toromarika rehetra mikasika ny zotra, ny ora fiaingana ary ireo tolotra samihafa ato anatin’ny tobim-piantsonana.
Ny fandaminana ny fiaingana kosa dia miankina amin’ny rafitra misy loko famantarana, izay natao hanamorana ny fitadiavana zotra ho an’ny mpandeha. Ny zotra rezionaly mampiasa ny lalam-pirenena fahafito (RN7) dia fantatra amin’ny loko mavo. Ny loko mena kosa dia natokana ho an’ireo zotra nasionaly mizotra mankany amin’ity lalana mankany Atsimo ity. Ary farany, ny loko manga dia manondro ireo zotra rezionaly sy nasionaly mampiasa ny lalam-pirenena faharoa (RN2) ho any amin’ny faritra Atsinanana.
Hita taratra eny amin’ny fitantanana ny boaty fandraisana ny kaoperativa ihany koa izany fidirana amin’ny vanim-potoana maoderina izany amin’ny alalan’ny fampiasana tablettes numériques. Fitaovana stratejika izany enti-manatsara ny fandaminana ny fikorianan’ny mpandeha sy manandratra ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa.
Ankoatra izany, napetraka ho fototra ny matihanina sy ny mangarahara eo amin’ny lafiny ara-bola. Any amin’ny toerana voatokana ihany no handoavana ny vola rehetra, ary lasa fitsipika tsy maintsy arahina ny fahazoana rosia ara-dalàna isaky ny mividy tapakila, izay miantoka ny fanaraha-maso ny vola sy ny fiarovana ny zon’ny mpandeha.
Eny an-toerana, efa miasa avokoa ankehitriny ny vavahady sy ny toerana fivoahana rehetra ahafahana mampiasa ny fotodrafitrasa. Mba ho feno tanteraka ny fahafaham-pon’ny mpandeha, dia misokatra tsikelikely ihany koa ireo toeram-pisakafoanana sy ny varotra ary ny tolotra isan-karazany ao anatiny. Ny tanjona eny Amoronakona dia mazava : hanolotra fotodrafitrasa manana ny fenitra maoderina, tolotra tsara kalitao ary fahasalamana sy filaminana tanteraka ho an’ny mpampiasa lalana.



Laisser un commentaire