
Manoloana ny fahatongavan’ny fetin’ny Fahaleovantena, manamafy ny fanaraha-maso ny tsena eto an-drenivohitra ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC). Nidina ifotony nanao fitsirihana nisesisesy nandritra ny roa andro ireo kaomisera sy mpanaramaso ny varotra sy ny fifaninanana avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) mba hitandroana ny fahasalamam-bahoaka sy hisorohana ny fielezan’ny entana tsy madio.
Antananarivo – 25 jona 2026
Taorian’ny tsenan’Isotry sy ireo mpivarotra amoron-dalana, dia nifindra teny amin’ny toerana fivarotana hanimasaka Zaimaika mampisongadina an’Analakely sy Mahamasina, ny Pavillon Analakely ary ny tsenan’Anosibe indray ny hetsika. Tsy ny fampanarahana fenitra fotsiny no tanjona fa ny fanadiovana ifotony ny tsenantsika rehetra mihitsy amin’izao fotoana mahamaro ny mpividy izao.
Teny amin’ireo mpivarotra hanimasaka Zaimaika, nodinihina tamin’ny antsipiriany ny kalitaon’ny sakafo aroso, ny fahadiovan’ny fitaovana sy ny akora ampiasaina, ary ny fomba fitehirizana ny hanina. Nentina nampatsiahivina ny rehetra ny tokony hanajana hatrany ny fenitry ny fahadiovana. Nanamarika anefa ireo mpanaramaso tao anatin’ny tatitra nataony fa efa misy ny ezaka lalan-dava ataon’ny mpahandro sasany hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo.
Nampitomboina ihany koa ny fitarafana ireo entana efa lany daty na simba tetsy amin’ny Pavillon Analakely. Ny ekipan’ny DPC mihitsy no nanao ny fitsirihana tamin’izany mba hiantohana fa entana tsara sy tsy misy atahorana no hovidian’ny tsirairay handeha hatao fety.
Nandritra ity hetsika ity ihany koa no nahatratrarana siramamy efa mando tao anaty fiara Sprinter roa teny Anosibe. Nandraisana fepetra henjana avy hatrany araka ny lalàna manan-kery ireo entana ireo mba tsy hiparitahany any amin’ny mpanjifa. Hentitra ny Minisitera manoloana izany : tsy maintsy tamberina ho amin’ny fiarovana ny vahoaka mpanjifa avokoa ny dingana rehetra atao.



Laisser un commentaire