
Namoaka fanambarana ofisialy ho an’ny besinimaro ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) manoloana ireo hetsika sy fanehoan-kevitra miseho amin’izao fotoana izao mikasika ny tontolon’ny fitaterana. Notsindrian’ny Kaominina fa ny fepetra rehetra noraisina dia tsy natao hitadiavam-bola velively, fa natao hiantohana ny filaminana, ny fiarovana ny vahoaka ary ny fampanjakana ny lalàna.
Antananarivo – 23 jona 2026
Ny fiarovana ny ain’ny vahoaka : Laharam-pahamehana tsy azo hihodivirana
Vokatry ny zava-misy iainan’ny mpampiasa lalana isan’andro — toy ny lozam-pifamoivoizana miverimberina, ny tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana, ary ny tsy fifanajana eny an-dalana izay miteraka korontana — no nahatonga ny CUA nandraikitra ireto fepetra ireto.
Na izany aza, mahatsapa ny ahiahy sy ny fahasahiranan’ireo mpitatitra ny Kaominina, ary maneho ny fahavononany hifampidinika amin’ireo solontenan’ny mpitatitra mba hitadiavana vahaolana maharitra sy mahasoa ny rehetra. Manoloana ny ankatoky ny fetim-pirenena, manao antso avo ny CUA mba hanomezana lanja ny fifampiresahana sy hisorohana ny fanelingelenana ny fiainan’ny mponina.
Ny jidin’ny mpanoratra : Ilaina ny sazy henjana sy mampianatra manoloana ny gaboraraka
Na eo aza ny antso ho amin’ny fifampiresahana ataon’ny Kaominina, tsy azo takonana intsony ny gaboraraka misy eny amin’ny fitateram-bahoaka. Mila ampiharina tsy ampihoerana ny sazy henjana sy fakan-tahaka manoloana ny loto sy ny tsy fahalalam-pomba (incivilité) asehon’ireo mpamily sy ny mpandray vola (receveurs). Ny fanaovana hazakazaka mitady vola, ny fialana « demi-tour » tsy amin’antony, ary ny tsy fanajana ny mpandeha dia tsy azo leferina intsony satria ny ain’ny olona no lalaovina.
Ankoizay, tokony ho tazonina ho tompon’andraikitra feno ihany koa ireo tompon’ny fiara (propriétaires) izay tsinjo ho minia mikipy sy tsy mivonona handray andraikitra manoloana ny fahadisoan’ny mpiasany. Ny fanafoanana ny fahazoan-dalana mitatitra (licence), ny fidirana am-ponja, ary ny lamandy mavesatra no fomba tokana hamerenana ny hasin’ny fifamoivoizana eto Antananarivo.



Laisser un commentaire