Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

FITANTERAM-BAHOAKA ANTANANARIVO: FANANGANANA VAOMIERA HANDINIKA NY BOKIN’ANDRAIKITRA – FOANA NY FITOKONANA AN’IO

Nisy dingana lehibe vita ho an’ny sehatry ny fitaterana eto amintsika. Omaly, alatsinainy 22 Jona 2026, dia nisy ny fivoriana lehibe sy fifampidinihana nifanaovan’ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ireo Filohan’ny Kaoperativa mampiasa ny tany sy ny fanjakana tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Ny tanjona tamin’izany dia ny hitady vahaolana maharitra manoloana ireo olana samihafa sedrain’ny sehatry ny fitaterana ankehitriny, mba hialana amin’ny fifandirana sy ny fitokonana.

Antananarivo – 23 jona 2026

Ireo fanapahan-kevitra lehibe noraisina teo amin’ny roa tonta

Mba hisian’ny fandrosoana sy ny filaminana, dia nifanarahana aloha ny amin’ny hananganana vaomiera iombonana haingana dia haingana. Ity vaomiera iarahan’ny solontenan’ny Kaoperativa sy ny teknisian’ny Kaominina ity no hiara-handinika sy hamolavola ny bokin’andraikitra mba hifanaraka tsara amin’ny zava-misy sy ny tombontsoan’ny rehetra.

Ankoatra izay, nisy koa ny fanapahan-kevitra mikasika ny « droit de transport ». Nifanarahana mantsy fa tsy mbola hampiharina aloha io fepetra io mandra-pijoroan’ity vaomiera voalaza etsy ambony ity sy ny fahavitan’ny fandinihana rehetra ifotony. Nohamafisin’ny roa tonta fa ny fampanjakana ny lalàna sy ny fampiasana ny fifampiresahana hatrany no fomba tsara indrindra handaminana ny olana rehetra miseho.

Tsy hisy ny fitokonana nambara ho hatao androany

manoloana izany ezaka izany, nambaran’ireo Filohan’ny Kaoperativa tamin’ny fomba ofisialy fa tsy mankasitraka ny fitokonana voatondro hatao androany talata izy ireo. Ny laharam-pahamehana ho azy ireo ankehitriny dia ny fitadiavana vahaolana mivaingana ho an’ny rehetra amin’ny alàlan’ny dinika, fa tsy ny fifanolanana na ny fampiatoana ny asa izay mety hanelingelina sy hampijaly ny vahoaka mpanjifa.

Mitohy hatrany ny ezaka ho an’ny fanatsarana ny tanàna sy ny fitaterana eto Antananarivo, ary ny fifampiresahana toy izao no antoky ny fampandrosoana maharitra.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture