Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

FITANTANANA NY TANY SY NY FANJAKANA: NANOME TOROMARIKA HO AN’NY FIZAKAN-TENA AMIN’NY FANDRAISANA FANAPAHAN-KEVITRA TANY AMBATONDRAZAKA NY MINISITRA VELONJARA RAKOTONANDRASANA

Hetsika naharitra hatramin’ny telo andro tany amin’ny sompitra fampidirana vary eto Madagasikara mba hitondrana fomba fijery vaovao amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Nanomboka ny alakamisy 18 ka hatramin’ny sabotsy 20 Jona 2026, nanao fitsidihana ofisialy sy stratejika tany Ambatondrazaka ny Minisitr’izay Atitany, Velonjara Rakotonandrasana. Laharam-pahamehana tamin’ity dian’ny mpitondra fanjakana ity ny fihaonana nifanaovana tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana (CTD) sy ny Sampandraharaham-panjakana Itsinjaram-pahefana (STD) mba hifanakalozana hevitra momba ny fomba fitantanana sy ireo tetikasa fampandrosoana mandeha any amin’ny faritra, indrindra ny famerenana an-tanana ny fandaharana RizPlus.

Ny andraikitra isaky ny ambaratonga no fototry ny fanavaozana

Teo anatrehan’ny Governoran’ny faritra, ny Ben’ny tanàna ary ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny, nanao kabary hentitra sy feno fampiharana ny Minisitry ny Atitany. Notsindrian’i Velonjara Rakotonandrasana fa ny itsinjaram-pahefana sy ny fampidinana ny fahefana any ifotony dia tsy tokony hijanona ho teny fotsiny, fa tsy maintsy mivadika ho fandraisana andraikitra sy fanapahan-kevitra mivaingana isaky ny ambaratongam-pitondrana.

Mazava ny hafatra nampitain’ny mpiahy ho an’ireo manam-pahefana any an-toerana, izay tsy tokony hiandry baiko avy amin’ny fitondrana foibe intsony vao handray fanapahan-kevitra mifandraika amin’ny asa tandrify azy ireo. Araka ny nambaran’ny Minisitra, ny fampandrosoana, ny fiovana ary ny fanavaozana ifotony dia manomboka amin’ny fahasahiana mandray andraikitra sy manapa-kevitra eo anivon’ny CTD sy STD tsirairay avy.

Ny olan’ny rano sy ny famerenana an-tanana ny tetikasa RizPlus

Ankoatra ny resaka fitantanana ara-panjakana, ny dia dia nahafahana nandinika ny famerenana an-tanana ny tetikasa RizPlus, izay hetsika lehibe sy manan-danja ho an’ny faritra misedra olana goavana amin’ny fitantanana ny tanimbary. Notsindrian’ny Minisitra manokana fa miankina amin’ny fanatsarana maika ny fitantanana ny rano sy ny fananganana fotodrafitrasa vaovao, toy ny tohodrano, ny hoavin’ny fambolena any an-toerana mba hiantohana ny famatsian-drano ny tanimbary.

Amin’ny alàlan’ny famporisihana ireo mpisehatra any an-toerana handray an-tanana feno ireto asa goavana momba ny rano ireto, ny Minisiteran’ny Atitany dia mikendry ny hanafainganana ny fahavitan’ny asa. Ny tanjona dia ny hahazoana antoka fa ny fifehezana ny rano sy ny tombontsoa ara-toekarena aterany dia hivalona mivantana any amin’ny vahoaka ifotony ao Alaotra-Mangoro. Nilaza ny ministry ny Atitany fa hisy fididanany miaraka amin’ny ministra misahana ny fambolena amin’ny manaraka mba ahafahana miaraka mijery zava-misy mba ahafahana mampandroso hatrany ity faritra sopitr’i Madagasikara ity.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture