
Manatanteraka fitsidihana ofisialy any Moskoa amin’izao fotoana izao ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Ramatoa Alice N’DIAYE, taorian’ny fanasan’ny Minisitry ny Raharaham-bahin’ny Federasiona Rosiana, Andriamatoa Sergueï LAVROV azy.
Moskoa – 19 jona 2026
Fihaonana roa tonta ho an’ny fampandrosoana iraisana
Nisy ny fihaonana teo amin’ireo minisitra roa tonta, izay fotoana iray niresahana ireo lohahevitra miodidina ny fampandrosoana, na eo amin’ny sehatry ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Rosia izany, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra fototra
Ny dinika nifanaovan’izy ireo dia nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa indrindra eo amin’ny sehatry ny angovo, ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny fanofanana ary ny fahasalamana mba hitondra fandrosoana mivaingana.
Fitovian-kevitra momba ny fanajana ny fiandrianam-pirenena
Nasongadina nandritra ny fihaonana ihany koa ny fitovian-kevitra eo amin’ny roa tonta momba ny fanohanana ny rafitra iraisam-pirenena mifototra amin’ny fampiharana tsy mitanila ny lalàna iraisam-pirenena sy ny fanajana ny foto-kevitry ny tsy fitsabahana amin’ny raharaham-pirenena anatiny.
Fampiharana ny diplaomasia marolafy sy misokatra
Ny fihaonan’izy ireo dia nahafahana ihany koa naneho ny firoboroboin’ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Rosia, izay mifanaraka tanteraka amin’ny diplaomasia marolafy arahina sy tohanan’i Madagasikara. Ny fomba fiasa toa izao dia natao hanitarana sy hanamafisana ny fiaraha-miasa misokatra amin’ny firenena rehetra ho fitsinjovana ny tombontsoa iombonana.
Ny anjara andraikitry ny Firenena Mikambana maneran-tany
Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa, dia nisy ny fifanakalozan-kevitra momba ny toeran’ny firenena roa tonta manoloana ireo fanamby iraisam-pirenena, ary nohamafisin’izy ireo ny firaiketany amin’ny rafitra marolafy sy ny anjara andraikitra fototra hananan’ny Firenena Mikambana amin’ny fitantanana maneran-tany.
Ny fanohizana ny fifampidinihana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena
Ho fehin’izay dia nifanaraka ireo minisitra roa tonta fa hanohy sy hanamafy ny fifampidinihana, na eo amin’ny sehatra iaharan’i Madagasikara sy i Rosia izany na eo anivon’ireo sehatra iraisam-pirenena isan-karazany.



Laisser un commentaire