Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

FITRANDFAHANA TSY ARA-DALANA: MILINA VAVENTY ROA NOGIAZANA TANY MAHANORO

Ao anatin’ny ezaka ho fiarovana ny harem-pirenena, nisy ny hetsika hanoherana ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna tany amin’ny Faritra Atsinanana. Ny asabotsy 20 jona 2026, nidina ifotony ny ekipan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, nampian’ny mpitandro filaminana, ka nanatanteraka ny fanagiazana milina vaventy roa tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambinanindrano. Ireo fitaovana lehibe ireo dia nampiasain’ny teratany vahiny tamina toerana fitrandrahana tsy manana fahazoan-dalàna ofisialy.

Antananarivo – 23 jona 2026

Izao fidinana ifotony izao dia notarihin’ny Talem-paritra mpisolo toerana ao Atsinanana. Mba hiantohana ny fampitovana ny lalàna sy ny fizotran’ny asa an-tsakany sy an-davany dia niara-dia tamin’ny teknisianina avy amin’ny ministera ihany koa ny « Unité régionale de la Police des Mines » ao Toamasina.

Fampijanonana ny fitrandrahana volamena nataona vahiny

Tao Ambodimanga I, ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambinanindrano, Distrikan’i Mahanoro, no nifantohan’ny fidinana ifotony. Teo amin’io toerana io mantsy no nahatratrarana ireo milina lehibe miisa roa izay nampiasain’ireo teratany vahiny hitrandrahana volamena. Nandritra ny fizahana dia hita fa niasa an-tsokosoko tanteraka ireto mpandraharaha ireto ary tsy nisy taratasy fahazoan-dalàna avy amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany mihitsy teny am-pelatanany.

Notanterahina araka ny fomba fiasa sy ny lalàna manankery ny dingana rehetra tamin’ity fanagiazana ity. Nanatrika sy nanara-maso izany teo an-toerana ihany koa ireo tompon’andraitra ifotony sy ny manam-pahefana any an-toerana ho mariky ny fangaraharana.

Fampitandremana henjana avy amin’ny ministera

Taorian’izao fahombiazan’ny hetsika izao, dia nampatsiahy ny rehetra, na ny teratany malagasy na ny vahiny mpampiasa vola, ny Ministera misahana ny Harena an-kibon’ny tany. Nataon’ny ministera mazava fa tsy maintsy manaraka ny lalàna manankery eto Madagasikara foana ny asa fitrandrahana rehetra vao azo atao.

Tsy hisy ny fandeferana manoloana ny gaboraraka amin’ny harem-pirenena. Nohamafisin’ny mpitondra feno fa izay rehetra tratra mampiasa fitaovana na milina tsy manara-dalàna amin’ny fitrandrahana dia hiditra ambala-pamonjana (fourrière) avy hatrany, ankoatra ireo sazy hafa miandry azy ireo.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire