
Tazomin’i Teheran an-keriny ny heriny. Raha mbola miandrandra fifanakalozan-kevitra ny rehetra, vao haingana ny manam-pahefana iraniana no nametraka ny fepetrany, izay mampifandray ny tsy fandeferana ara-teknika momba ny nokleary sy ny fitakiana ara-jeopolitika eo amin’ny faritra.
Antananarivo – 22 jona 2026
Zo hahazo nokleary sivily, saingy tsy misy baomba
Nohamafisin’ny filoha iraniana, Massoud Pezeshkian, ny lohahevitra ijoroan’ny fireneny momba ny fandaharana nokleary. Araka ny nambarany, madio sy ho amin’ny fandriampahalemana ny fikasan’i Teheran, ary vonona ny hanome toky an-tsoratra izy mba hanaporofoana fa tsy manana finiavana hanamboatra baomba athomika mihitsy i Iran.
Na izany aza, miaraka amin’ny fetra tsy azo ihoarana izany fanolorana tànana izany, dia ny fandavana tanteraka ny hampitsahatra ny fampitomboana ny taham-pahadiovan’ny uranium (enrichissement d’uranium). Ny filoha iraniana dia miankina amin’ny lalàna iraisam-pirenena, amin’ny fampahatsiahivana fa ny Dinan’ny tsy fampitomboana ny fitaovam-piadiana nokleary (TNP) dia miantoka mazava tsara ny zon’ny fireneny hampitombo izany uranium izany ho an’ny fampiasana sivily.
Tsy misy fifanarahana nokleary raha tsy misy fandriampahalemana any Libana
Eo amin’ny sehatry ny diplomasia, ampifandraisin’i Teheran amin’ny toe-draharaha ara-miaramila any Afovoany Atsinanana ny hoavin’ny fifampiraharahany amin’i Washington ankehitriny. Mametraka fepetra lehibe i Iran amin’ny filazana fa tsy hisy fifanarahana azo tanterahina miaraka amin’ny Etazonia raha tsy misy fandriampahalemana feno ao Libana.
Tsy nihodahoda ny mpitondra tenin’ny diplomasia iraniana, Esmaïl Baghaï, tamin’ity teboka ity. Heveriny fa ny fifampiraharahana mankany amin’ny fifanarahana farany dia tsy afaka manomboka raha tsy mijanona ny ady amin’ny lafiny rehetra, anisan’izany ny ao amin’ny tanin’i Libana.
Na izany aza, mbola goavana ny teti-pifanarahana napetraka teo ambony latabatra tany am-boalohany. Ity tetikasa ity dia mametraka fe-potoana 60 andro hanaovana fifanakalozan-kevitra lalina mifantoka manokana amin’ny raharaha nokleary iraniana sy ny fanesorana ireo sazy ara-toekarena manavesatra ny firenena. Amin’ny fampifandraisana ny diplomasia nokleary amin’ny fitoniana any Libana toy izany, dia manitatra ny krizy ho amin’ny sehatra iraisam-pirenena kokoa i Iran, ary mampiseho fa mikasa ny hampiasa ny heriny rehetra amin’ny fandanjalanjana ny hery eo amin’ny faritra izy alohan’ny hipetrahana eo amin’ny latabatra fampihavanana.



Laisser un commentaire