Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

TOBIM-PIANTSONANA AMORONAKONA : HIASA MANOMBOKA NY TALATA 23 JONA 2026

Madiva hifarana ny fahasahiranan’ireo mpandeha mampiasa ny lalam-pirenena faharoa sy fahafito . Manomboka ny talata 23 jona 2026 izao dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ary handray ireo koperativa miisa 80 ny tobim-piantsonana vaovao ao Amoronakona. Efa vonona ny fotodrafitrasa ary efa voazara ny box rehetra ahafahan’ny mpandeha miala fahasahiranana sy manomboka ny fiaingana voalohany ho an’ny zotra RN7 sy RN2.

Antananarivo – 19 jona 2026

Dingan-dehibe indray no vita eo amin’ny tontolon’ny fitaterana eto Madagasikara. Efa vonona tanteraka handray ireo koperativa miisa valonpolo ny Tobim-piantsonana vaovao ao Amoronakona, ary efa vita avokoa ny fizarana ireo box isaky ny koperativa tsirairay avy. Ny talata 23 jona 2026 izao no hisy ny fiaingana voalohany avy ao amin’ity toby maoderina ity, ho an’ireo mpandeha hihazo ny Faritra, Distrika ary Tanan-dehibe rehetra manerana ny Nosy.

Raha ny momba ny zotra nasionaly sy rezionaly amin’ny RN7, ny fiaingana hihazo ny Atsimo sy ny Andrefana dia hahitana an’Andramasina, Ambatolampy, Antsirabe, Betafo ary Mandoto. Handalo ao Ambohibary, Faratsiho, Antanifotsy, Manandona ary Sahanivotry ihany koa ny fiara, miampy ny lalan-tsarotra mankany Ambositra, Fandriana, Fianarantsoa, Ambalavao, Ihosy ary Toliara. Tsy adino ny zotra mankany Miandrivazo sy Morondava, ary ny any amin’ny morontsiraka Atsimo-Atsinanana toy ny any Mananjary, Manakara, Farafangana, Vangaindrano ary Tolagnaro.

Ho an’ny zotra RN2 indray, ho voaray avokoa ny any amin’ny faritra Atsinanana manomboka eo Amoronakona. Hampitohy an’Ambatomanga, Manjakandriana ary Mantasoa ny fiara, ary hiantoka ny fifandraisana mankany Moramanga, Vatomandry, Mahanoro ary Ilaka Est. Ny mpandeha ho any amin’ny faritra Alaotra sy ireo tanàn-dehibe amoron-tsiraka toy an’i Toamasina sy Fénérive Est dia hiondrana ao amin’ity fotodrafitrasa vaovao ity avokoa.

Mba hanamorana ny fivezivezen’ny mpandeha sy hisorohana ny fitohanana, fepetra maromaro no noraisina miaraka amin’ny ATT. Nisy ny fandaminana ireo lalan-jotra manodidina ny Renivohitra mba hihazo mivantana any Amoronakona. Teo koa ny fametrahana navette manokana hampifandray an’Amoronakona amin’ireo Tobim-piantsonana lehibe hahafantarana an’Antananarivo. Ho fanampin’izay, hampitomboina ny isan’ny zotra amin’ny Train Urbain mihazo an’Amoronakona mba hialana amin’ny fitohanana. Ny talata 23 jona izao izany no fotoana eny Amoronakona ho an’ny fitaterana maoderina sy milamina.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture