
Antananarivo – 18 jona 2026
Tontosa ihany ny fitakian’ny Antenimierampirenena. Nahazo ny lohan’ireo solontenany roa lahy ao anatin’ny Fitsarana Avon’ny Lalàmpanorenana (HCC) ny parlemanta, rehefa nisy ny fikasana hanova azy ireo teo am-piandohan’ny fivoriana ara-potoana. Nametra-pialana ny alatsinainy teo ireto mpitandro ny lalàna ambony ireto, araka ny fampitam-baovao nentin’ny Filohan’ity rantsana ity, Florent Rakotoarisoa, teny Tsimbazaza. Noho izany, hiatrika ny fifidianana izay hisolo tena azy ireo indray ny ao amin’ny lapa maitso ao anatin’ny andro vitsivitsy ho avy.
Tsiahivina fa voasaringotra amin’ny raharaha fikasana hanohintohina ny filaminan’ny firenena ireto mpanolotsaina ambony ireto. Efa namoaka fahoriana hanenjehana azy ireo mihitsy ny Minisiteran’ny Fitsarana. Mby aiza ho aiza anefa ny raharaha ankehitrinsky? Mbola mihatra ve ny fanenjehana sa nisy ny marimaritra iraisana sy fifanarahana ambatombatony tany ambadika tany mba hialana amin’ny krizy? Ny ho avy no hitondra ny valiny.



Laisser un commentaire