
Raha mankalaza ny faha-160 taona mahery niorenan’ny fifandraisana ara-diplosmatika i Etazonia sy Madagasikara, nisy delegasiona amerikana ambony nitsidika an’izao tany Antananarivo izao. Ity fitsidihana ofisialy ity, izay mifanandrify indrindra amin’ny fikarakarana ny fankalazana ny faha-250 taona nijoroan’i Etazonia, dia nahitana andian-dresaka stratejika natao hanentanana indray ny fifanakalozana ara-toekarena sy ara-politika eo amin’ny firenena roa tonta.
Antananarivo – 17 jona 2026
Noraisin’ny Masoivoho Amerikana Andriamatoa Nick Checker, Sekreteram-panjakana amerikana Lefitra misahana ny raharaha aty Atsimon’i Afrika, sy Andriamatoa Christopher Kulukundis, Mpanolotsaina Ambony misahana ny raharaha afrikana. Teo ambany fitarihan’ny Mpiandraiki-draharaha Amerikana, Rantovavy Stephanie Arnold, nanao dinika lehibe tamin’ireo mpitondra malagasy ireto tompon’andraikitra ambony ireto mba hamaritana ireo endri-piarahamiasa mivaingana.
Noraisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Michael Randrianirina, sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa Mamitiana Rajaonarison, ny delegasiona. Ny dinika teo amin’ny tampon’ny Fanjakana dia nifantoka indrindra amin’ny fanitarana ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra iraisana, izay manana tanjona iraisana hitondra tombontsoa mivantana sy azo tsapain-tanana ho an’ny firenena roa tonta.
Taorian’izay, nihaona tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, koa ireo diplaomaty amerikana. Ity fihaonana teo anivon’ny parlemanta ity dia nahafahana nifanakalo hevitra momba ireo fomba hanamafisana izany fiaraha-miasa manan-tantara izany, sady nampisongadina manokana ny famoronana fahafahana ara-toekarena vaovao sy ny fampiroboroboana ny fivelaran’ny vahoaka malagasy.
Rehefa nifarana ny fifampidinika, nanamafy indray ny lanjany omeny ny fifandraisany amin’ny Nosy Lehibe i Etazonia. Ny governemanta amerikana dia naneho ny fahavononany tanteraka hanorina hoavy mampandroso ho an’ny olom-pirenena amin’ny firenena roa tonta amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ireo sehatra lehibe toy ny varotra, ny fampiasam-bola, ary ny fampandrosoana ara-toekarena ankapobeny.



Laisser un commentaire