
Dingana lehibe indray no voadian’ny vondrona AXIAN, tarihin’ny mpandraharaha Hassanein Hiridjee. Nahazo fankatoavana sy famatsiam-bola mitentina 170 tapitrisa euros (manodidina ny 197,3 tapitrisa dolara) avy amin’ny Banky Eoropeana ho an’ny fampandrosoana sy ny fanarenana (BERD) ny AXIAN Telecom. Ity tosika ity dia manamafy ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena ny hoavin’ny fotodrafitrasa nomerika aty Afrika.
Antananarivo – 17 jona 2026
Izao famatsiam-bola vaovao izao dia hamatsiana ny tetikasa maro fampiasam-bola an’ny AXIAN Telecom, toy ny fividianana fitaovan-tserasera rafintany avo lenta, ny fampitomboana ny tariby « fibre optique », ary ny fampivoarana ireo sehatra rindrambaiko samihafa mba hanatsarana ny tolotra mivantana amin’ireo tsena misy azy.
Ankoatra izany, ny fifanarahana dia ahitana ampahany amin’ny vola shilling kényan, mitentina 20 tapitrisa euros, natokana hampiasaina any Kenya mba hampihenana ny loza mety hateraky ny fiovaovan’ny sandam-bola vahiny. Ity famatsiam-bola ity dia manampy amin’ireo efa azo teo aloha, toy ny 160 tapitrisa dolara avy amin’ny BAD ary 100 tapitrisa dolara avy amin’ny EIB Global, ka mahatratra 450 tapitrisa dolara mahery ny fitambaran’ny fanohanana azony farany teo.
Raha tsiahivina, ny AXIAN Telecom dia miasa amina tsena afrikanina maro toa an’i Madagasikara, Tanzania, Senegal, Togo, Ouganda, ary ny Repoblika Demokratikan’i Kongo. Mikasa ny hanorina tilikambo fampitovian-tsine (pylônes) miisa 3 000 eo ho eo ny vondrona, ary hanitatra ny fandraisana ny fitaovana 4G sy 5G, indrindra any amin’ireo faritra ambanivohitra.
Hita taratra amin’ny tondro ara-bola ny fahombiazan’ny tetikasa. Nandritra ny telovolana voalohany tamin’ny taona 2026, nahatratra 476,53 tapitrisa dolara ny fidiram-bolan’ny AXIAN Telecom, raha 373,71 tapitrisa dolara izany tamin’ny taon-dasa. Izany rehetra izany dia manamafy ny toerany amin’ny maha-loharano sy mpitarika ny fanovana ara-nomerika aty Afrika.



Laisser un commentaire