Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

FANDOSIRAN-KETRA: RCBE FITAOVANA LEHIBE HIADIANA AMIN’IZANY

Dingana lehibe indray no voadika eo amin’ny fanavaozana sy ny fanadiovana ny tontolo ara-toekarena eto Madagasikara. Tafiditra indrindra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE-R), izay mametraka ny mangarahara, ny fampitomboana ny vola miditra ho an’ny Fanjakana ary ny ady amin’ny fivezivezen’ny vola tsy ara-dalàna ho lohaalaharana, ny nanoloran’ny Foibem-pitantanana Ankapoben’ny Hetra (DGI) tamin’ny fomba ofisialy ny Rejisitra Foiben’ireo Mpisitrakà Tena Izy (RCBE).

Antananarivo – 16 jona 2026

Fatiantoka goavana ho an’ny firenena

Tena ilaina sy maika ny fametrahana ity fitaovana ity manoloana ny zava-misy ara-bola eto amintsika. Raha ny antontan’isa mantsy, nahatratra 330 tapitrisa dolara amerikana ny vola tsy ara-dalàna nivoaka sy niditra teto Madagasikara ny taona 2024. Manodidina ny 1,9 %-n’ny Harikarena Faobe (PIB) izany fahabangana izany, ary ny ampahatelon’ireo vola tsy ara-dalàna ireo dia avy amin’ny hosoka ara-ketra mivantana.

Noho izany, ny RCBE no vahaolana stratejika ahafahana mamantatra mazava tsara ireo tena tompony sy mpitantana ny orinasa, mba hisorohana ny hosoka, ny fandosirana hetra ary ny fandiovana vola maloto.

Fitaovana hampitomboana ny harikarena

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr RAMIARISON HERINJATOVO Aimé, dia nanamafy ny lanjan’izao fanavaozana izao: « Tsy fitaovana fanarahan-dalàna tsotra fotsiny ny RCBE, fa tena fitaovana mahomby hampitomboana ny Harikarena anatiny ho an’ny Fanjakana. Ny fanajana ny mangarahara sy ny fahaiza-mitantana dia manampy amin’ny fananganana toekarena matanjaka, afaka mifaninana ary mamokatra harena ho an’ny rehetra. »

Nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana, izay nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana. Nambarany fa efa ela no niandrasana ity rafi-pandaminana ity mba hampihenana ny sehatra tsy ara-dalàna.

Antso ho an’ny sehatra tsy miankina

Mba hahombiazan’izao ezaka izao dia miantso ny sehatra tsy miankina, ny orinasa ary ny mpandoa hetra rehetra ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny DGI mba handray anjara feno sy hampiasa ity RCBE ity, ho tombontsoan’ny mangarahara ara-toekarena.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture