
Tsy azo lalaovina sy tsy azo amidy intsony ny tsipoapoaka. Nivoaka ny fanapahan-kevitra ofisialy avy amin’ny Prefektioran’ny Polisin’Antananarivo, amin’izao ankatoky ny fankalazana ny tsingerintaona faha-66 niverenan’ny Fahaleovantena izao, ho fitandrovana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ho an’ny vahoaka rehetra.
Antananarivo – 12 jona 2026
Fepetra hentitra ho an’ny tanàna manontolo
Tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana laharana faha-195/MID/PREF.POL.TANA/OSP.26, izay nivoaka ny zoma 12 Jona 2026 ary nosovadin’ny Administrateur Civil Andriasy Vonjy Maminjanahary, no nanambaran’ny fiadidiana ny Prefektiora ny fandrarana. Tsy misy an-kanavaka fa tsy azo atao mihitsy ny manao fitaovana, milalao na mampiasa tsipoapoaka sy « laser » rehetra, ary mihatra amin’ireo fitaovana na kilalao hafa rehetra mitovy endrika amin’izany koa ity baiko ity.
Manan-kery amin’ny toerana rehetra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana izao fandrarana izao. Mahafaoka ny Distrika, ny Kaominina ary ny Fokontany rehetra ato anatin’ny Prefektioran’ny Polisin’Antananarivo izany mandritra ny fotoana maharitra, indrindra fa manodidina ny hetsika fankalazana ny Fetim-pirenena ny 26 Jona 2026 ho avy izao. Ny tanjona voalohany amin’izao fepetra izao dia ny hisorohana ny taitra, ny loza mety hateraky ny fipoahana, ary ny fanelingelenana ny filaminan’ny mponina mandritra ny fety.
Fampiharana ny lalàna sy sazy ho an’ny mpandika lalàna
Efa nahazo toromarika mazava sy hentitra avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hisahana ny fanaraha-maso ifotony. Anisan’izany ireo Lehiben’ny Distrika, ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Analamanga, ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka, ireo Lehiben’ny Kaomisaria Foibe, ary ireo Ben’ny Tanànan’ny Kaominina rehetra ato anatin’ny faritry ny Prefektiora.
Nampitandrina ny manampahefana fa ny fandikana ireo fepetra voalaza ao anatin’ity didim-pitondrana ity dia hisarika sazy henjana avy hatrany, araka ny lalàna manan-kery eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Foana sy tsy manan-kery avokoa mantsy ireo fepetra rehetra teo aloha izay mety hifanohitra amin’izao didy izao, mba hahafahan’ny tsirairay mifety am-pilaminana sy am-pifaliana tanteraka.



Laisser un commentaire