
Efa madiva hiditra amin’ny fandaminana ny fikorontanan’ny fitaterana eto an-drenivohitra ny tobim-piantsonana vaovao eny Amoronakona, izay hisokatra ofisialy alohan’ny fetim-pirenena 26 Jona izao. Ity fotodrafitrasa lehibe ity, izay natao hanalana ny fahasahiranana sy ny fahatsentsenana tafahoatra mihatra amin’ny gara Andrefan’Ambohijanahary (Fasan’ny Karana), dia hovohana ihany rehefa navelan’ny mpitondra ankehitriny ho rava tany anatin’ny kajikajy politika tany.
Antananarivo – 12 jiona 2026
Mandeha mafy ny fanomanana eny Amoronakona. Fantatra izao fa koperativa miisa 80 mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 (RN7) sy faha-2 (RN2) no efa naneho fahavononana tanteraka hifindra sy hampiasa ity tobim-piantsonana vaovao ity alohan’ny 26 Jona.
Fotodrafitrasa natsangan’i Hery Rajaonarimampianina nefa novonoina hovonoina
Raha tsiahivina ny tantara, ny fanorenana ity gara routière eny Amoronakona ity dia tetikasa lehibe natomboky ny Filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fotoany. Ny tanjona tamin’izany dia ny fandaminana sy hanadiovana ny tanànan’Antananarivo, ary indrindra ho an’ny fiarovana ny ain’ny mpandeha manoloana ny fahatsentsenana tafahoatra sy farany izay tratra eny Fasan’ny Karana. Io gara tranainy io mantsy dia efa tsy mahazaka ny tamberina intsony, ka miteraka tsy fandriampahalemana sy gaboraraka andro aman’alina.
Na izany aza, noho ny politikan’ny fampanantenana poakaty (populisme) sy ny kajikajim-pifidianana nataon’ny fitondrana Andry Rajoelina, dia navela ho simba sy ho feno harafesina fotsiny ity fotodrafitrasa goavana ity nandritra ny taona maro. Niniana tsy noraisina sy tsy novohana izany mba tsy hanehoana ny fahombiazan’ny fitondrana teo aloha, ary koa mba hitsinjovana ny tombotsoa ara-pifidianana tamin’ireo mpitatitra sasany nitsipaka ny fifindra-monina, na dia ny vahoaka maro an’isa aza no nijaly tao anatin’ny fitohanana sy ny fahalotoana.
Fandaminana matatika miaraka amin’ireo mpisehatra
Ankehitriny kosa, toa voaporofo ihany fa tsy azo ialana ny fampiasana ity gara ity manoloana ny fahasarotan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Mba hampandeha tsara ny asa, dia efa natsangana ny « Collectif des Présidents de Coopératives de Transport Routier de Voyageurs » Amoronakona, izay hiara-hiasa akaiky amin’ny fitantanana ny toby.
Androany zoma 12 Jona 2026 no ho fantatra amin’ny fomba ofisialy ny anaran’ny orinasa hisahana ny fitantanana sy ny fikojakojana ity tobim-piantsonana vaovao ity.
Fampifandraisana ny zotra rehetra
Mba tsy hampijaly ny mpandeha amin’ny halaviran’ny toerana, dia efa nalamina ny zotra samihafa hampitohy ny Gara Amoronakona amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Ho fanampin’ny zotra an-dalamby « Train Urbain » mampitohy an’i Soarano sy Amoronakona, dia hisy koa ny taxi-be hisahana izany. Efa nanomboka omaly alakamisy 11 Jona ny andrana tamin’ireo zotra mampitohy ireo toerana ireo mba handrindrana ny fahatongavan’ny mpandeha alohan’ny fisokafana lehibe.



Laisser un commentaire