
Namoaka filazana ofisialy ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantananam-bola ny alakamisy 11 jona 2026 fa miato vonjimaika ny fampiharana ny haba amin’ny fiara enti-milina na ny « Taxe sur les Véhicules à Moteur » (TVM). Ity fanapahan-kevitra ity, izay manaraka ny feo efa nentin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena nanameloka ity hetra ity, dia dingana lehibe nataon’ny fanjakana mba hitsinjovana ny fahefa-mividin’ny vahoaka sy hisorohana ny fahasahiranana ara-tsosialy.
Antananarivo – 12 jiona 2026
Hafaliana ho an’ny mpampiasa lalana sy ny tompon’ny fiara rehetra eto Madagasikara. Manoloana ny fitarainana sy ny ahiahin’ny mpanjifa, dia niray feo ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna mba hiverina saina amin’ity hetra niteraka adihevitra be ity. Miato tanteraka aloha hatreto ny fampiharana ny TVM.
Fifanarahana teo amin’ny Governemanta sy ny Parlemanta
Izao fampitsaharana ny TVM izao dia nanaraka akaiky ny fanambarana efa nataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, izay efa naneho hevitra mialoha ary nampita fa tokony hofoanana tanteraka ity hetra amin’ny fiara ity. Io fiombonan-kevitra teo amin’ny parlemanta sy ny ministera io dia mampiseho fa nifampihaino ny andrim-panjakana manoloana ny fahasahiranana iainan’ny isam-batan’olona.
Ny Volavolan-dalàna mifehy ny tetibola 2026 tany am-boalohany, izay nisy io hetra TVM io, dia niteraka adihevitra mafana teny anivon’ny Antenimiera roa tonta. Mba tsy hampikatso ny raharaham-panjakana sy ho valin’ny fitakian’ny fiarahamonina, dia nisy ny fanitsiana lehibe tsy maintsy natao.
Fivoriambe tsy ara-potoana handaniandany ny fanafoanana
Nanamarika ny Ministera fa hisy ny fanitsiana sy ny fanisiam-panovana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026. Entina hodinihina sy holaniana mandritra ny fivoriambe ara-potoana (na tsy ara-potoana) hataon’ireo solombavambahoaka eny anivon’ny Antenimieram-pirenena izany drafi-pifanarahana vaovao izany. Ny fanafoanana ny TVM dia ho lasa lahadinika voalohany amin’ny asam-baomiera sy ny fivoriamben’ny Parlemanta.
Na dia nampahatsiahivina aza fa ny fampidiran-ketra no ahafahana mamatsy ireo tetikasa maro entina hampandrosoana ny firenena, dia ny tombontsoan’ny besinimaro aloha no natao lohaharam-pamehana. Miantso ny olom-pirenena rehetra amin’ny fanatanterahana ny adidy masina ara-ketra hafa kosa ny fanjakana mba hitohizan’ny fampandrosoana ara-tsosialy.



Laisser un commentaire