Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

SOLITANY: HIVIDY SOLIKA MIVANTANA ANY NIZERIA I MADAGASIKARA MANOLOANA NY KRIZY ANY AMIN’NY GOLFE

Nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely Michaël Randrianirina, anio talata maraina tamin’ny fiverenany avy nanao fitsidihana ofisialy tany Nizeria, fa hahazo solika mivantana any amin’ity firenena ity i Madagasikara. Dingana lehibe sy mivaingana izao ho fampitomboana ny loharano fividianana solika, indrindra manoloana ny disadisa any amin’ny Golfe Persique izay efa niteraka fahatarana teo amin’ny fahatongavan’ny sambo mpitondra solika taty amintsika.

Antananarivo – 9 jiona 2026

Mila fahamatorana sy fandraisana andraikitra haingana ny fiovaovan’ny toe-draharaha manerantany, indrindra eo amin’ny lafiny angovo. Nanomboka ny taona 2022, ny orinasa OQ Trading any Oman no mamatsy solika an’i Madagasikara. Saingy noho ny ady eo amin’i Iran, Isiraely ary Etazonia any amin’ny faritry ny Golfe Persique, dia tandindomin-doza ny fifamoivoizana an-dranomasina ary tsy mitsaha-miovaova ny vidin-tsolika. Efa nisy fiantraikany mivantana teto amintsika izany krizy izany, tamin’ny alalan’ny fahatarana lehibe teo amin’ny fahatongavan’ny sambo lehibe mpitondra solika (tanker) noho ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritra iny.

Mba hiatrehana izany sy hiarovana ny firenena amin’ny fahatapahan’ny solika, nanao fitsidihana ofisialy tany Nizeria ny Filohan’ny Fanavaozana, taorian’ny tany Gabon. Rehefa nidina ny fiaramanidianana ny tenany anio maraina, dia nanasongadina fa efa vita ny fifampiraharahana ary efa nankatoavin’ny fanjakana nizerianina ny fiarahana miasa momba ny famatsiana solika. Ny fanaovana sonia ny fifanarahana sisa no hatao tsy ho ela. Ity tetikasa miaraka amin’ny tany Nizeria ity dia hita fa efa mandroso sy mivaingana lavitra raha ampitahaina amin’ilay eritreritra hividy solika any Rosia izay nolazain’ny manam-pahefana ambony iray teto amin’ny firenena tany aloha. Manam-potoana sy tombony lehibe kokoa ny tolotra nizerianina satria tsy mitaky fandaniana goavana amin’ny fanamboarana na fanondrotana ny toby fitehirizana solika vaovao hifanarahana amin’ny fepetra rosianina.

Niara-dia tamin’ny Filoha tamin’izao dian-draharaha stratejika izao ny Mpanolotsaina ambonin’ny Fanavaozana, ny Kôlônely Thierry Rampanarivo, sy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Radonirina Lucas Rabearimanga. Ny fisokafan’izao lalan-tsolika vaovao any Afrika Andrefana izao dia fepetra raisina mialoha mba hiantohana ny filàn’ny vahoaka malagasy manoloana ny krizy iraisam-pirenena


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture