
Abuja – Talata, 9 jiona 2026
Taorian’ny fitsidihana tany Gabon, mitohy ny ezaka ara-diplomatika ataon’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely Michaël RANDRIANIRINA. Tonga nanao fitsidihana ofisialy ao Abuja, renivohitr’i Nizeria, ny tenany alatsinainy 08 jona 2026.
Izao dia fitohizan’ny resaka nifanaovana teo amin’ny Filoha malagasy sy ny Filohan’i Nizeria, Andriamatoa Bola Ahmed Tinubu, nandritra ny fihaonambe afrikanina Africa Forward izay natao tany Kenya ny 11 sy 12 mey lasa teo. Nivadika ho hetsika mivaingana izany fihaonana izany ankehitriny.
Ny tanjona lehibe amin’izao fitsidihana izao dia ny hidirana amin’ny dingana ambony kokoa hampivelarana ny fiarahana miasa ara-toekarena sy ara-diplomatika eo amin’ny Firenena roa tonta. Hohamafisina ny fampiasam-bola sy ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Madagascar sy i Nizeria.
Nisy ny fihaonana teo amin’ny Filoha roa tonta androany tao amin’ny Lapan’ny Filoham-pirenena ao Abuja. Izany dia ho fanamafisana ny fifandraisana sy ny fihavanana efa nisy teo aloha ary ho fankatovana ny firaisankina eo amin’ny firenena roa tonta.



Laisser un commentaire