Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

ANTSIRANANA: TONGA SOA AMAN-TSARA IREO MILINA MPAMOKATRA HERINARATRA VAOVAO 8 AN’NY JIRAMA

Antananarivo – 9 jiona 2026

Enina andro tarorian’ny niaingany tao Ambohimanambola, tonga tao Antsiranana ny alatsinainy 8 jona 2026 teo ireo fiara be nitondra ireo milina vaovao miisa valo manana tanjaka 4 600 kW. Ity hetsika goavana baikoan’ny Filohan’ny Fanavaozana ity dia dingana lehibe hamaranana tanteraka ny olana ara-delestazy any amin’ny faritra Avaratra.

Tanteraka ny fampanantenana ho an’ny mponina any Antsiranana. Taorian’ny nialany tany Ambohimanambola ny 2 jona lasa teo, tonga teo an-toerana ofisialy ny alatsinainy 8 jona 2026 ireo fiara be nitondra ireo fitaovana famotorana herinaratra. Izao hetsika izao dia vokatry ny fidirana an-tsehatry ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny JIRAMA sy ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo.

Milina vaovao miisa 8 manana tanjaka manontolo 4 600 kW no voaray, ahitana mpamolavola herinaratra 6 manana tanjaka 500 kW avy sy milina 2 manana tanjaka 800 kW avy. Ireto fitaovana vaovao ireto dia hanampy ireo milina 3 efa lasa tany aloha izay manana tanjaka 2 400 kW. Tafiditra ao anatin’ity dia ity ihany koa ireo kojakoja rehetra ilaina amin’ny fametrahana sy ny fampandehanana tsara izany fitaovana izany ka efa eo am-pelatanan’ny teknisianina avokoa ny traikefa sy ny fitaovana ankehitriny.

Efa manomboka ny asa fananganana sy fampitambarana ireo milina vaovao ireo amin’ny tambajotran’ny tanàna ny mpamokatra. Ny fahavitana izany asa izany dia heverina hamaha tanteraka sy hamarana ny olana ara-delestazy any Antsiranana. Tsiahivina fa izao hetsika goavana izao dia ao anatin’ny tetikasa ankapobeny fitsinjovana ny faritra rehetra manerana ny nosy mba hanatsarana maharitra ny tolotra omena ny mpanjifa.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture