
Tsy latsaka anaty fifampiraharahana anjambany intsony i Madagasikara manoloana ireo mpampiasa vola vahiny amin’ny sehatry ny fitrandrahana. Nahitsy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Carl Andriamparany, fa raha tsy mahafantatra ny firafitry ny harem-pirenentsika isika, dia ho matiantoka hatrany. Efa mivadika ho asa mivaingana izany finiavana izany ankehitriny satria efa mandeha ny sidina fikarohana ary efa mitsidika ny tany ireo manam-pahaizana avy amin’ny kaonpania Bravura.
Antananarivo – 08 jiona 2026
Ny hafatry ny Minisitra Carl Andriamparany : Ny fahamarinana ara-teknika alohan’ny dinika
Mazava ny hafatry ny mpitondra fanjakana amin’izao dingana vaovao izao. Nandritra ny fampahafantarana ny fandaharan’asa, nitsotra ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Carl Andriamparany, fa tsinjo ho fatiantoka ho an’ny firenena ny fandehanana miresaka amin’ireo orinasa goavana nefa tsy fantatra ny marina ao ambanin’ny tany. Nambarany mivantana fa raha tsy misy ny antontan-kevitra mazava momba ny harena ananana ao ambanin’ny tany, ny kalitaony ary ny habetsahany, dia tsy afaka ny hivoaka mpandresy na hahazo tombony amin’ny fifampiraharahana amin’ireo mpampiasa vola ny firenena.
Nandritra ny taona maro mantsy dia ny tatitra omen’ireo konpania vahiny ihany no iankinan’ny fanapahan-kevitry ny fanjakana, izay matetika mampandefitra ny tombontsoan’ny vahoaka. Amin’izao fotoana izao, mandray ny andraikiny ny firenena malagasy mba hivadika ny rasa, ka ny tombontsoan’ny vahoaka indray no ho laharam-pahamehana.
Efa miasa eny amin’ny habakabaka sy eny an-kandrina ny Bravura
Tsy mijanona ho fampanantenana intsony ny tetikasa fa efa ao anatin’ny fanatanterahana tanteraka amin’izao fotoana izao. Ny orinasa afrikanina Bravura dia efa mampiasa ny fitaovana rafiny rehetra eto Madagasikara. Re ankehitriny ny feon’ireo fiaramanidina manatanteraka sidina fizahana ara-teknika eny amin’ny habakabaka, mandrakotra ireo distrika rehetra ao anatin’ny faritra telo lehibe: ny Atsimo-Andrefana, ny Anosy, ary ny Menabe. Ireo faritra ireo dia fantatra fa manankarena amin’ny mineraly sarobidy sy stratejika.
Tsy ny eny amin’ny lanitra ihany anepanefa miara-miasa akaiky amin’izany koa ny eny an-kandrina. Efa miparitaka mantsy ireo ekipa mpikaroka sy jeologa alefan’ny Bravura mba hijery ifotony ny zava-misy, hanangona santionany amin’ny tany sy vato, ary hifanakalo hevitra amin’ny manam-pahefana isam-paritra. Izany fomba fiasa izany no miantoka ny fahamarinan’ny vokatra ho azo.
Fifanaraham-piarahamiasa tamin’ny desambra 2025
Izao fiasan’ny ekipa eny an-kandrina sy eny amin’ny lanitra izao dia vokatry ny fifanarahana fiaraha-miasa matanjaka vita sonia tamin’ny volana desambra 2025 teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa Bravura, izay manana ny fahaizana manokana amin’ny fikarohana harena an-kibon’ny tany aty Afrika. Raha tsiahivina, ny 21 aprily 2026, nandritra ny namaranan’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely Michaël Randrianirina sy ny vadiny Elisa, ny dian’izy ireo tany Toliara, dia nijery akaiky ireto fiaramanidina telo ireto teo amin’ny seranam-piaramanidina izy ireo alohan’ny niverenana teto Antananarivo.
Ny roa amin’ireo fiaramanidina ireo dia manana fitaovana arifomba afaka mamantatra ny toeran’ny gony, ny karazany, ny halavany, ary ny fomba tsara indrissant hitrandrahana azy. Haharitra enim-bolana eo ho eo ity fikarohana siantifika lehibe ity izay natomboka tany Toliara. Rehefa azo ny vokatry ny fizahana rehetra, dia homena maimaim-poana ny Fanjakana Malagasy ny antontan-kevitra sy ny sarintany rehetra. Izany no fitaovana lehibe hitondran’i Madagasikara ny fitakiana sy ny fepetra hentitra amin’ireo fifanarahana ho avy mba hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra sy ny vahoaka malagasy manontolo.



Laisser un commentaire