
Nisy dingana lehibe sy manan-tantara vita ny alarobia 3 jona 2026 teo tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Nivaha ny olana teo amin’ny fandaminana nandritra ny fihaonana an-tampony teo amin’ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Primatiora, ny Minisiteran’ny Fanavaozana, ary ny FFKM. Tapaka tamin’izany ny tondrozotra mazava mitsinjara ny andraikitry ny tsirairay amin’ny fikarakarana ity Fikaonandoham-pirenena ity.
Antananarivo, 3 jiona 2026
Mba handravonana ny disadisa momba ny fitarihana sy hametrahana fandaminana maty paika, dia teboka 3 lehibe no nifanarahana sy tapaka tamin’ity fihaonana ity.
Voalohany, ny FFKMno hitondra sy hitantana ny Fikaonandoham-pirenena manerana ny Nosy araka ny « mandat » efa nomen’ny Filoham-panjakana tamin’ny volana desambra 2025.
Faharoa, hatsangana eny anivon’ny Primatiora ny komity teknika izay hahitana ny fandraisana anjaran’ny rehetra mba hitambaran’ny hery rehetra tsy an-kanavaka. Handray ny asany avy hatrany izany komity izany amin’ny herinandro ho avy io.
Fahatelo, ny Minisiteran’ny Fanavaozana kosa dia hiondrana amin’ny andraikitra tantsoroka, izany hoe hanohana ny FFKM amin’ny fikarakarana rehetra, manomboka any amin’ny fokontany ka hatramin’ny sehatra nasionaly. Marolafy izany tantsoroka izany satria ahitana tohana ara-teknika, ara-pitaovana, ara-kevitra ary ara-pandaminana sy ara-piarovana avy amin’ny rafi-panjakana izay hanampy ny FFKM amin’ny fanatanterahana.
Ny dingana manaraka sy ny tetiandro
Hivory manomboka amin’ny herinandro ambony io ny komity teknika eny amin’ny Primatiora, ary izy ireo no hanapaka ny pitsopitsony rehetra mikasika ny tontolon’ny fikarakarana ny Fikaonandoham-pirenena.
Aorian’izay, hiditra amin’ny fampiofanana an’ireo rantsa-mangaika hiara-hiasa aminy any amin’ny kaominina, ny distrika ary ny faritra ny FFKM.
Ho fantatra mivantana amin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay hataon’ny FFKM miadalana eo ny tetiandro raikitra sy ny fomba hoentina mitantana ity sehatra lehibe ho an’ny firenena ity.



Laisser un commentaire