Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

FIKAONANDOHAN’NY FIARAHAMONIM-PIRENENA: ANTOKA HO AN’NY FANAVAOZANA IFOTONY SA KAJIKAJY POLITIKA VAOVAO?

Maro amin’ny olom-pirenena ankehitriny no mametraka ny fanontaniana manao hoe: « Inona no antoka fa tsy miandany ity fikaonandoha ity? » Fanontaniana lojika sy mby ao an-tsain’ny maro izany, indrindra taorian’ny hetsika nifanesy nitranga tamin’ny faran’ny taona 2025 iny. Rehefa latsaka lalina ny firenena, samy manaiky ny rehetra fa tsy afaka ny ho atao kilalaon’ireo manana tombotsoa manokana intsony i Madagasikara ary efa fotoana izao hirosoana amin’ny fanavaozana azy ifotony.

Fikaonandoha Lavitry ny Kajikajy Politika

Mba hialana amin’izany lesoka taloha izany, ity fikaonandoha ity dia haseho amin’ny endrika vaovao tanteraka. Hatao ho an’ny fiarahamonim-pirenena sy hovolavolain’ny fiarahamonim-pirenena izy ity, ary harovana mafy mba ho lavitry ny kajikajy politika rehetra sy ny tombontsoan’ny antoko samihafa. Satria izay zavatra vaovao dia tsy maintsy vaovao tokoa, na amin’ny fomba fiasa na amin’ny toe-tsaina.

Ny fanamby apetraka amin’izao fotoana izao dia tsotra nefa goavana. Hatao re manakoako ny feon’ny isam-batan’olona eny ifotony, indrissant fa ireo izay niteny sy nampandeha araka ny tokony ho izy ny fiainana eny amin’ny faritra 24 manerana ny Nosy nandritra ny taona maro.

Fotoana Iarahan’ny Fiarahamonim-pirenena Miteny

Taona maro ny fiarahamonim-pirenena no teo amin’ny hacking ny fanairana, ny fanoroana hevitra, ny fanabeazana ary ny fiparitahana teny amin’ny faritra niasan’ny tsirairay. Tonga ankehitriny ny fotoana hanambarana izany hery sy traikefa rehetra izany mba ho firaisamonim-pirenena to-teny, manana lanja ary ho henoina tokoa eo anatrehan’ny tantara sy ny fanarenana an’i Madagasikara.

Ny Fiarahamonim-pirenena: Tsy Afa-bela fa Manana ny Anjarany Amin’ny Olana

Manoloana ny fahasahiranan’ny firenena anefa, matetika ny fiarahamonim-pirenena no mailaka manondro molotra ny mpanao politika ho anton’izao fahantrana izao. Saingy tsara ny manamarika fa tsy afaka ny hanasa tanana toy i Pilato ny fiarahamonim-pirenena. Nandray anjara tamin’ny fomba mivantana na tsy mivantana tamin’ny raharaham-pirenena sy ny fiainana politika mantsy izy ireo, toy ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’ny fanentanana sy ny fampianarana ny olom-pirenena mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.

Ankoatra izany, manana solontena hatrany ny fiarahamonim-pirenena ao anatin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI). Na izany aza anefa, tsy nitsahatra notsikeraina sy nolavina hatrany ny fitantanana ny fifidianana nifanesy teto amintsika. Izany rehetra izany dia manaporofo fa manana ampahany amin’ny andraikitra lehibe ny fiarahamonim-pirenena ary tsy afaka ny hanipy ny rihitra any amin’ny mpanao politika fotsiny


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture