Madiva hifarana ny fijalian’ny mponin’Antsiranana manoloana ny delestazy : ho tanteraka ny fampanantenan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika satria hisisika hisidina any an-toerana rahampitso ireo vondrona mpihary herinaratra vaovao miisa 8 avy amin’ny JIRAMA. Hetsika haingana sy goavana natao hitondra vahaolana maharitra ao anatin’ny andro vitsivitsy.

Antananarivo, 2 jiona 2026
Tsy nijanona ho fampanantenana fotsiny ny tenin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël. Taorian’ny fahitalavitra sy ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, izay nanambaràny ny handefasana milina mpihary herinaratra any Antsiranana, dia nandray ny andraikitra tandrify azy avy hatrany ny Orinasa JIRAMA.
Nanainga anio maraina tao Ambohimanambola ireo vatam-pamokarana herinaratra vaovao miisa 8, izay manana tanjaka mitotaly 4 600 kW (izany hoe 500 kW miisa 6 ary 800 kW miisa 2). Hanamarika fihodinana vaovao izany satria hanampy ireo milina telo efa nalefa any an-toerana mialoha, izay manana tanjaka 2 400 kW.
Ny fanantenana lehibe : Heverina fa ho foana tanteraka ny « délestage » ao Antsiranana aorian’ny fahatongavan’ireto milina ireto, izay tombanana ho afaka 3 na 4 andro. Efa miaraka amin’ireto vatam-pamokarana herinaratra ireto avokoa ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny fampandehanana azy.
Izao tetikasa lehibe izao dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orinasa JIRAMA, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ary ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika. Ny tanjona iombonana dia tsotra: ny hanatsarana hatrany ny tolotra omena ny mpanjifa manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny fanapariahana vondrona mpihary herinaratra tahaka izao.



Laisser un commentaire