Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne généraliste, au cœur de l’actualité malgache et internationale. Politiques, économie, société, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquêtes approfondies et des analyses impartiales. Fondé pour informer les Malgaches où qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indépendant, rigoureux et accessible 24h/24.

AMBATOVY: MIVERINA MIODINA NY OZININA AO TOAMASINA TAORIAN’NY FANDALOVAN’NY RIVODOZA GEZANI

Antananarivo, 1 Fiona 2026

Dingana lehibe ho an’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Miverina miasa indray ankehitriny ny ozinina mpanodina metaly ao Toamasina rehefa nijanona nandritra ny volana maromaro. Ity fijanonana ity dia tsy maintsy natao mba hanarenana ireo fotodrafitrasa simba vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani vao haingana. Manantena ny mpitantana sy ny mpiasa rehetra fa afaka fotoana fohy sisa dia hivoaka ny vokatra nikela sy kobalta voalohany.

Izao fahombiazana izao dia vokatry ny ezaka goavana, ny fahaiza-manao ary ny faharetana nasehon’ny mpiasa sy ny mpiombontsehatra rehetra ao amin’ny Ambatovy. Niasa tsy nijanona izy ireo namboatra ireo faritra maro simba, mba hampijoroana amin’ny fomba voafehy sy azo antoka indrindra, lavitra ny loza mety hitranga amin’ny mpiasa.

Ankoatra ny lafiny famokarana sy ny fidirana ara-bola, manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina izao fiverenan’ny asa izao. Mitondra fanantenana vaovao ho an’ireo fianakaviana malagasy an’arivony, ny vondrom-piarahamonina manodidina, ary ireo orinasa mpamatsy entana sy mpamokatra miara-miasa amin’Ambatovy izao fiverenana miodina izao. Ny laharampahamehan’ny orinasa kosa dia tsy miova: miantoka ny famokarana amin’ny fomba azo antoka, maharitra ary mampisy fitoniana, mba hitondra tombontsoa ho an’i Madagasikara manontolo.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accès à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture