Antananarivo, 1 Jiona 2026
Mandroso haingana amin’ny fampivoarana ireo fitaovana sy fotodrafitrasa fampiasany eto Madagasikara ny kaompania mpitrandraka aostralianina AKORA Resources. Taorian’ny fahazoana ny fahazoan-dàlana hitrandraka (Permis d’exploitation) ho an’ny tobim-pitrandrahana ao Bekisopa vao haingana, nahatratra dingana manan-tantara ny orinasa mankany amin’ny famokarana vy manana kalitao avo lenta, izay tena ilaina amin’ny fanovana ny fomba fiasa ho an’ny indostrian’ny vy eran-tany mba hanajana ny tontolo iainana. Mba hamaranana ireo antsipiriany farany amin’ny teti-pivoarana sy hanomanana am-pilaminana ny tatitra ho an’ny fivoriamben’ny mpampiasa vola dia nitsidika teto Madagasikara mihitsy ny tale jeneralin’ny kaompania tamin’ny tapa-bolana lasa teo mba hijery ifotony ny zava-misy.
Ny AKORA Resources dia mametraka ny tenany ho mpisehatra fototra amin’ny famatsiana akora maharitra, amin’ny alàlan’ireo tetikasa lehibe efatra ananany eto Madagasikara dia ny ao Bekisopa, Tratramarina, Ambodilafa ary Satrokala. Ny tetikasa lehibe indrindra, dia ny ao Bekisopa, dia ahitana tahiry ara-jeolojika miavaka loha. Ny tombana farany dia mampiseho fa manodidina ny 194,7 tapitrisa taonina ny tahiry hita ao (araka ny fenitra JORC). Ankoatra ny habetsany, ny fahadiovan’ity tahiry ity no Tena manintona ny tsena, satria ambany dia ambany ny loto miaraka aminy, izay ahafahana mahazo vato misy vy madio mihoatra ny 67% Fe.
Izao taha 67% izao dia dingana stratejika lehibe satria tena ilaina amin’ny fampiasana ny teknolojia DRI-EAF (Direct Reduced Iron-Electric Arc Furnace), fomba fiasa vaovao ahafahana manamboatra « vy maitso » nefa tsy mampiasa arintany, ka mampihena be ny entona gazy karbonika manerana izao tontolo izao.
Mba hanomezana lanja tsara indrindra ity harena ity nefa ahitana tombony haingana, ny fitantanan’ny AKORA, notarihin’ny tale jeneraly Peter Bird, dia namolavola dika teti-pivoarana miandalana. Ny tanjona voalohany amin’ny dingana voalohany dia ny vola miditra ao anatin’ny fotoana fohy amin’ny alàlan’ny fampandehanana fitrandrahana afaka mamokatra 2 tapitrisa taonina isan-taona, mandritra ny enina taona voalohany. Ity dingana ity dia hamokatra vy azo alefa mivantana (DSO), amin’ny endriny mivongana na vovoka, manana salan’isa 61,6% Fe, hatolotra ho an’ireo mpanao vy mbola mampiasa lafaoro nentim-paharazana. Rehefa mivoatra izany, ny vola azo amin’io dingana voalohany io no hamatsiana ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fanodinana ny vy madio mihoatra ny 67% Fe, izay mikendry ny tsena midadasika amin’ny vy ara-tontolo iainana.
Ny taona 2026 dia manamarika fiovana lehibe ho an’ny orinasa. Ny 4 martsa 2026, nahazo tamin’ny fomba ofisialy ny fahazoan-dàlana hitrandraka ao Bekisopa ny AKORA. Ity fankatoavan’ny governemanta ity dia dingana lehibe ho an’ny tombom-barotry ny orinasa ary manala ireo sakana ara-panjakana farany amin’ny lalan’ny famokarana.
Nandritra ny Fivoriamben’ny Mpampiasa Vola izay natao ny 29 mey 2026, nanamafy ny fahatokisany tanteraka amin’ny fahombiazan’ny tetikasany ny mpitantana, miankina amin’ireo fahitana mivantana nataon’ny tale jeneraly teny an-kianja. Nanamafy ny filankevi-pitantanana fa tsy misy angon-drakitra vaovao manova ny tondro ara-teknika sy ara-bola avy amin’ireo fandinihana efa natao teo aloha. Ny tanjona amin’ny famokarana 2 tapitrisa taonina isan-taona dia mbola manan-kery tanteraka, izay manokatra vanim-potoana vaovao ho an’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tant eto Madagasikara.




Laisser un commentaire