Le Ténimita

L'information en continue…

Le Tenimita est votre journal en ligne gĂ©nĂ©raliste, au cƓur de l’actualitĂ© malgache et internationale. Politiques, Ă©conomie, sociĂ©tĂ©, culture, sports : nous couvrons tous les angles avec des articles exclusifs, des enquĂȘtes approfondies et des analyses impartiales. FondĂ© pour informer les Malgaches oĂč qu’ils soient, Le Tenimita s’engage pour un journalisme indĂ©pendant, rigoureux et accessible 24h/24.

ROSIA – MADAGASIKARA: MAMITIANA RAJAONARISON – SERGEY CHOIGOU NIRESAKA FIARAHA-MIASA

Antananarivo, 28 Mey 2026

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny delegasiona malagasy mamita iraka any Rosia ny fihaonana teo amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, sy ny Filohan’ny Filankevi-pilaminan’ny Federasionan’i Rosia, Sergey Choigou, androany. Nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny roa tonta ny momba ny filaminana amin’ny ankapobeny maneran-tany, ny mahakasika ny fiahiana sy ny filaminana ara-bola, ary indrindra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

Nandritra izany fihaonana izany, notsipihin’ny Praiminisitra fa anisan’ny laharampahamehana ambony indrindra ho an’ny fitondrana Fanavaozana ny sehatry ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Izany indrindra no antony nanendrena ny solotena maharitra eo anivon’ny Firenena Mikambana any New York, mba hahafahan’i Madagasikara mandray anjara mivantana amin’ireo fanapahan-kevitra iraisam-pirenena lehibe. Nambaran’ny Lehiben’ny Governemanta malagasy ihany koa fa misy ny ezaka goavana atao amin’ny fametrahana tontolo milamina sy azo antoka eo amin’ny lafiny fampiasam-bola, hisarihana ireo mpandraharaha vahiny, indrindra fa ny Rosiana, ho tonga hampiasa vola eto Madagasikara. Eo amin’ny lafiny fiarovana kosa, fantatra fa hisy ny fiaraha-miasa ara-miaramila hifantoka manokana amin’ny fampiofanana, ka hahazo tombony amin’izany ny Sekoly Miaramila Kely Malagasy (SEMIPI) sy ny miaramila kely rosiana.

Ankoatra izay, nifampiresahana nandritra ity fihaonana amin’ny Filohan’ny Filankevi-pilaminan’ny Federasionan’i Rosia ity koa ny momba ny fikaonandoham-pirenena hatao eto Madagasikara, ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo sy ny fizahantany, ary ny fanofanana ireo mpiasam-panjakana ambony malagasy. Teo ihany koa ny tetikasa goavana momba ny fananganana foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny rano, ary ny fanampiana ara-tsosialy isan-karazany entina hanohanana mivantana ny vahoaka malagasy.


En savoir plus sur Le Ténimita

Subscribe to get the latest posts sent to your email.

Laisser un commentaire

En savoir plus sur Le Ténimita

Abonnez-vous pour poursuivre la lecture et avoir accùs à l’ensemble des archives.

Poursuivre la lecture