đŸ‡Č🇬 CONGO BRAZZAVILLE: HIHAONA I MICHAEL RANDRIANIRINA SY DENIS SASSOU NGESSOU

Antananarivo, 13 mai 2026

Rehefa avy nanatrika ny fihaonana antampony « Africa Forward Â» tany Nairobi Kenya ny filohampanjakana Michael Randrianirina dia handeha hihaona amin’i Denis Sassou Ngessou filohan’i Congo Brazzaville anio.

I Denis Sassou Ngessou dia isan’ireo filohampanjakana naharitra indrindra teo amin’ny fitantanana ny firenena eto Afrika. Nitondra an’i Congo Brazzaville I Denis Sassou Ngessou teo anelanelan’ny taona 1979 sy 1991 ary niverina teo fitondra indray nanomboka ny taona 1997. Marihina fa I Denis Sassou Ngessou dia miaramila nitondra ny grady kolonely ihany koa rehefa nanomboka nitantana ny fireneny.

Laisser un commentaire